Manohana an’ireo mpikambana vaovao eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana
“Ny adidintsika masina dia ny manaiky sy mandray ireo mpikambana vaovao sy ireo izay miverina. Eo am-panafainganan’ny Tompo ny asany, dia tokony hitia sy hikolokolo ary hanompo ireo izay manaiky ny filazantsarany isika.”—Loholona Quentin L. Cook, “Manafaingana ny asany ny Tompo”

Dingana 4 ho an’ireo mpikambana vaovao aorian’ny batisa
Ny fanatontosana an’ireo dingana efatra ireo amin’ny herinandro voalohany aorian’ny batisa dia mametraka ny lalana hampiraisana ny fianakaviana mandrakizay amin’ny alalan’ny ôrdônansy sy fanekempihavanana any amin’ny tempoly.
1
Tokony ho raisina ho mpikamban’ny Fiangonana ilay mpikambana vaovao.
2
Tokony hahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ilay mpikambana vaovao mba hanaovana batisa isoloan-tena. Raha toa izy ka lehilahy dia tokony hotendrena ho amin’ny Fisoronana Aharôna aloha.
3
Mampiasa ny Fanampiana amin’ny fanomanana ny anaram-pianakaviana ireo mpitarika mba hanampiana an’ireo mpikambana hitondra ny anaran’ny fianakaviana* ho ao amin’ny tranon’ny Tompo.
4
Tokony hasaina hitsaoka ao an-tranon’ny Tompo miaraka amin’ireo namana avy ao amin’ny paroasy ilay mpikambana vaovao, raha mamela izany ny toe-java-misy.
*Atombohy amin’ny havana fantatra iray efa maty mba hanafoanana ny filàna fikarohana na teknolojia fanampiny.
Ireo fomba hanohizana manao fanompoana
Mampahafantatra ny mpikambana vaovao amin’ireo mpanorohevitra mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ireo mpitarika.
Manampy ireo mpikambana vaovao amin’ny fampidirana ny zavatra izay fantany ao amin’ny FamilySearch ireo mpanorohevitra momba ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, izay hitarika amin’ny fahafahana vaovao mahakasika ny tempoly ao amin’ny Ôrdônansy Vonona.
Ampio ilay mpikambana vaovao hanohy handeha tsy tapaka any amin’ny tranon’ny Tompo, araka izay azo atao, mba hitsaoka an’ Andriamanitra sy hanatanteraka ôrdônansy ho an’ny razambeny.
Fanampiana amin’ny fanomanana ny anaram-pianakaviana ho an’ireo Mpikambana vaovao
Ampiasao ity fitaovana tsotra ity izay manoro lalana amin’ny fanomanana sy fanaovana printy ny karatry ny anaram-pianakaviana ho amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana any amin’ny tempoly.
AtombokaManompo an’ireo mpikambana vao vita batisa
Mihaona amina fianakaviana vao vita batisa izay handeha any amin’ny tempoly mba hanao batisa ho an’ireo fianakaviany efa nodimandry.
Hijery izao ankehitriny izao