Ireo fepetra momba ny fampiasana ny FamilySearch

Nohavaozina tamin’ny 2023-09-01

Misy fanovana atao eo an-toerana rehefa takian’ny lalàna izany

Ny fampiasanao ity tranonkala ity dia midika fa ekenao ireo fepetra napetraka etsy ambany (amin’ity Fifanarahana ity). Raha misy tsy ekenao ny fepetra amin’ity Fifanarahana ity, dia aza mampiasa ity tranonkala ity. Manana zo izahay hanova ity Fifanarahana ity amin’ny fotoana rehetra, koa iangaviana ianao hanamarina hatrany sao misy fanovana ity Fifanarahana ity isaky ny mampiasa ity tranonkala ity. Ny fanohizanao ny fampiasana ity tranonkala ity aorian’ny famoahana fanovana amin’ity Fifanarahana ity dia midika fa ekenao ireo fanovana ireo.

Fahazoan-dalana sy Famerana

Ity tranonkala  izay natokana ho an’ny tantaram-pianakaviana sy ny fikarohana tetiarana ity, dia tantanan’ny FamilySearch International, orinasa iray tsy mitady tombontsoa any Utah izay manana birao foibe ao Salt Lake City, Utah, Etazonia. (izay lazaina etoana amin’ny hoe “FamilySearch”, na “izahay”, na “-nay”, na teny mitovitovy amin’izany), fikambanana tsy mitady tombontsoa izay miara-miasa amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (“Fiangonana”). Ny zavatra rehetra hita ato amin’ity tranonkala ity (tafiditra amin’izany ireo sary, soratra, kisary famantarana, zavatra aseho, antontam-pahalalana, sary sy feo, vokatra, tolotra, ary fampahalalana), dia fanananay na izahay no nanome lalana azy.   

Raha tsy misy fanamarihana mandrara azy dia azonao atao ny mijery, sy misintona, ary manao printy ireo zavatra ato amin’ity tranonkala ity mba ho ampiasanao manokana tsy hitadiavam-bola, na ho ampiasanao amin’ny maha mpirakitra anarana faobe an-tsitrapo anao, izay mifandray amin’ny fandaharan’asa firaketana anarana faobe an’ny FamilySearch, mifanaraka amin’ireo fepetra arahina ao anatin’ny fandaharan’asa firaketana anarana faobe an’ny FamilySearch na ny fanomezan-dalana hampiasa ny rindrambaiko firaketana anarana faobe an’ny FamilySearch.

Tsy azonao atao ny mamoaka zavatra avy ao amin’ity tranonkala ity ho ao amin’ny tranonkala iray hafa na ho ao amin’ny tambajotran-tsolosaina iray raha tsy nahazo fahazoan-dalana avy taminay. Tsy azonao atao ny mamindra na mizara zavatra avy ao amin’ity tranonkala ity ho any amin’ny tranonkala hafa. Tsy azonao atao ny mampiasa ity tranonkala ity na ny fampahalalana hita ao amin’ity tranonkala ity (tafiditra amin’izany ireo anarana sy adiresin’ireo izay nampiditra zavatra) mba hamarotana na hampiroboroboana ara-barotra vokatra na asa atolotra, na hanaovana dokavarotra momba izany, na hitadiavana mpividy na tanjona hafa hitadiavam-bola.

Ireo mpahay tetiarana matihanina dia afaka mampiasa ity tranonkala ity, na ireo applications mobiles anay, na ireo loharanom-pitaovana an’ny Ivon-toeran’ny FamilySearch mba hikaroka fampahalalana sy hanomezana antontan-taratasy ho an’ny mpanjifa iray ho ampiasain’ilay mpanjifa manokana, fa tsy ara-barotra. Na izany aza ireo mpahay tetiarana matihanina dia tsy mahazo mangataka na mandamina raharaham-barotra na manao izay hampahafantarana ny tenany, na mandray vola amin’ity tranonkala ity na eo amin’ny fanananay.

Ankoatr’izany dia azon’ireo mpiasa eo amin’ny sehatry ny fampahalalam-baovao atao ny manao tahadika ireo loharanom-pitaovana avy ao amin’ity tranonkala ity raha ho ampiasaina amin’ireo sehatra fampahalalam-baovao mahazatra ho an’ny daholobe, raha tsy hoe misy filazana mazava mifanohitra amin’izany. Ny fampiasana amin’ny fomba hafa rehetra an’ireo fampahalalana na loharanom-pitaovana hita ato amin’ity tanonkala ity, tafiditra amin’izany ny fampiasan’ny fikambanana na vondrona ara-dalàna, dia tsy azo atao raha tsy nahazoana alalana an-tsoratra avy aminay. (Jereo ny “Fanomezana alalana hampiasa ny zon’ny mpamorona sy ny marika famantarana” etsy ambany.)

Na eo aza ireo voalaza teo aloha ireo, dia izahay no hany afaka manapa-kevitra sy manana zo handà, na hanatsahatra, na hametra ny fampiasana ity tranonkala ity, tafiditra amin’izany ny famokarana sy izay fampiasana hafa an’ireo loharanom-pitaovana misy manerana ity tranonkala ity. Kanefa tsy andraikitray ny mamaritra hoe inona no dikan’ny hoe “fampiasana amin’ny rariny” ho an’ireo olona izay maniry hampiasa zavatra avy ao anatin’ity tranonkala ity. Mijanona ho andraikitra fenon’ny mpampiasa tsirairay an’ity tranonkala ity izany. Ankoatra izany dia tsy takiana aminay ny hanome loharano fanampiny nakana ireo teny nindramina, na ny hanome antoka hoe tsy misy olon-kafa mampiasa ireo loharanom-pitaovana ao amin’ity tranonkala ity. Mbola mijanona tanteraka ho an’ny mpampiasa tsirairay an’ity tranonkala ity ihany koa izany andraikitra izany. Na izany aza dia tazoninay ny zo hisoroka ny  fandikana ny lalàna mifehy ny fampiasana ireo fitaovanay sy ny handika ny hevitry ny hoe “fampiasana amin’ny rariny” araka ny fahatakaranay ny lalàna.

Ity tranonkala ity dia tsy natao ho ampiasaina ao amin’ny Federasiona Rosiana ka noho izany dia tsy tokony ho azo hidirana ao amin’ny Federasiona Rosiana.

Fanomezana alalana hampiasa ny Zon’ny mpamorona sy ny Marika famantarana

Raha hangataka fanomezan-dalana hampiasa ireo fitaovanay na fitaovana na marika famantarana voarin’ny zon’ny mpamorona izay fanananay, dia araho ity rohy ity:

Hangataka fanomezan-dalana

Fanamarihana: 45 andro eo ho eo ny fe-potoana hahazoana valiny. Ireo fangatahana izay ahitana fitaovana maro dia mety haharitra ela kokoa vao hivaly.

Fangatahana Hafa

Azo alefa amin’ny iray amin’ireto tranonkala ireto ireo karazana fangatahana hafa.

Zavatra Tsy Maintsy Atao rehefa Misoratra anarana

Rehefa mampiasa ity tranonkala ity ianao dia maneho fa (a) efa namaky ary manaiky ireo fepetra ao amin’ity fifanarahana ity, sy (b) afaka misoratra anarana ara-dalàna (raha ilaina) mba hampiasa ity tranonkala ity sy izay tranonkala mifandray amin’ny FamilySearch. Raha mampiditra fampahalalana momba ny tena manokana ianao ato amin’ity tranonkala ity dia manaiky ny hanome fampahalalana marina, tsy diso ary tsy lany andro momba ny tenanao (tafiditra ao anatin’izany ny mandritra ny dingana fisoratana anarana) ary hihazona sy hitandrina izany fampahalalana izany tsy ho lany andro sy marina raha tahiny ka misy fiovana. Raha manome fampahalalana na sary diso, na tsy marina, na tsy mety, na manendrikendrika ianao dia azonay atsahatra na faranana ny kaontinao sy ny fampiasanao ity tranonkala ity. Mandritra ny dingana fisoratana anarana dia angatahina ianao hamorona anarana fidirana sy tenimiafina mba hidirana amin’ny ampahany sasany amin’ity tranonkala ity na tranonkala hafa mifandray amin’ny FamilySearch. Tompon’andraikitra ianao amin’ny fihazonana ny maha tsiambaratelo ny anarana fidiranao sy ny tenimiafinao. Tompon’andraikitra ianao amin’izay hetsika rehetra mitranga amin’ny fampiasana ny anarana fidiranao sy ny tenimiafinao. Raha misy olona hafa mampiasa ny anarana fidiranao sy ny tenimiafinao amin’ny fomba izay mandika ireo fepetra ao amin’ity Fifanarahana ity, dia mijanona ho tompon’andraikitra amin’ny zavatra ataony ianao, ary mety hatsahatra na faranana ny fampiasanao ny anarana fampiasanao.

Fanomezana Lalana sy Zo nomena anay

Ho takalon’ny fampiasanao ity tranonkala ity sy/na ny fitahirizanay ny angon-drakitra omenao, dia manome anay etoana ianao ny fahazoan-dalana tsy misy fetra, tsy handoavam-bola intsony, tsy misy vola fanampiny aloa, maneran-tany, tsy azo ovaina, azo zaraina amin’ireo mpampiasa hafa, ary maharitra ny hampiasa ny fampahalalana sy ny votoatin-javatra ary ny fitaovana rehetra (izay aravona amin’ny hoe “Votoatin-javatra nadraisana anjara”) izay nampidirinao na natolotrao ho an’ity tranonkala ity (anisan’izany, ary tsy voatery ho voafetra, ireo angon-kevitra ara-tetiarana, sary, asa soratra, antontan-taratasy, fitaovana, raki-peo, adihevitra, fampahalalana, ary angon-kevitra mifandraika amin’ny olona efa maty na izay zavatra hafa rehetra) ho amin’ny tanjona rehetra, amin’ny fomba rehetra, ary amin’ny endrika haino aman-jery rehetra izay heverinay, noho izahay hany tompon’ny fanapahan-kevitra, fa mety ho fampandrosoana ny asanay dia ny fampiroborobo ny tantaram-pianakaviana sy ny fikarohana ara-tetiarana. Ao anatin’ity fahazoan-dalana ity dia omenao lalana izahay ny handika, hamoaka am-pahibemaso, hamindra, hampita, hampiseho am-pahibemaso, hizara, ary hampiasa (sy hamela ny hafa hampiasa) ny Votoatin-javatra nadraisanao anjara manerana izao tontolo izao amin’ny alalan’ireo fomba izay heverinay fa mety (elektrônika na hafa, anisan’izany ny internet). Ianao koa dia mahatakatra sy manaiky fa ao anatin’ity fahazoan-dalana ity izahay dia manana zo hamorona (sy hamela ny hafa hamorona) sy hampiasa sanganasa avy amin’ny Zavatra ampidirinao amin’ny fampifangaroana azy rehetra na ampahany amin’izany amin’ny an’ny mpandray anjara hafa na koa amin’ny fanovana ny Votoatin-javatra nandraisanao anjara.

Fiaraha-miasa amin’ny Hafa

Manaiky ianao fa anisan’ny tanjona voalohan’ity tranonkala ity ny hampisy fiaraha-miasa eo amin’ireo mpampiasa an’ity tranonkala ity sy ireo tranonkala hafa izay maniry hampivelatra ny angon-kevitra ara-tetiarany sy ny fahalalany. Manaiky ianao fa azonay ampiasana ny Votoatin-javatra nadraisanao anjara, tafiditra amin’izany izay fampahalalana manokana momba ny olona mbola velona, izay nampidirinao mba hoentina hiaraha-miasa sy hozaraina amin’olona na fikambanana hafa (anisan’izany ireo fikambanana ara-barotra momba ny tetiarana) mba hamoronana rafi-tetiarana iray ikambanana ohatra, ho amin’ny tanjona mba hapitombo ny fandraisana anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy hitahirizana ireo rakitra manerana izao tontolo izao. Manaiky ianao fa ny fiaraha-miasa eo amin’ny olona sy ireo fikambanana maro dia mamela anay hahazo angon-kevitra fanampiny izay azonay atolotra an’ireo mpampiasa an’ity tranonkala ity, izay mamela an’ireo mpampiasa hanitatra ny rohim-pirazanany. Ny Filazana mikasika ny tsiambaratelo  dia manolotra antsipiriany bebe kokoa mahakasika ny fampiasanay ny Votoatin-javatra nandraisanao anjara.

Manaiky ianao ny hampiditra angon-kevitra marina araka izay fantatrao. Mba hihazonana ny fitoviana amin’ny endrika isehoan’ilay tetiarana mahazatra misy ato amin’ity tranonkala ity (toy ny sarin’ny rohim-pianakaviana, ny fahafahana mijery pejy amin’ny endriny mivelatra kokoa, ny graphique en éventail, ary ireo fomba hafa ahafahana mijery ny pejy sy ireo kisary hafa), dia manaiky ianao ny hisokajy ireo olona amin’ny maha lahy na maha vavy azy araboajanahary ary hampiditra azy ireo amin’ny toeran’ny maha lahy na maha vavy azy mahazatra ao amin’ireo kisary sy ireo fomba azo hijerena ny zavatra misy ao amin’ny pejy (oh: ray na reny). Amin’ny fanambadiana eo amin’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy dia samy lahy na samy vavy ny mpivady. Azonao asiana fanamarihana momba ny maha izy azy amin’ny maha lahy na maha vavy azy eo amin’ny toerana fanehoan-kevitra. Mba jereo ny ao amin’ny fizarana hoe Fitsipi-pitondrantena raha hijery fanazavana momba ny mety ho vokatry ny fampidirana angon-kevitra amin’ny fomba tsy mety.

Ity tranonkala ity dia ahitana toerana fifankalozan-kevitra izay ahafahan’ny tsirairay maneho hevitra sy manolotra Votoatin-javatra nandraisana anjara mahakasika ny olona iray manokana efa maty ary manome antsipirian-javatra momba izany olona izany. Manana zo izahay hampiasa indray ireo fampahalalana ao amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny Votoatin-javatra nandraisana anjara hafa izay natolotra ka hamoaka izany amin’ny hafa mba hamahana olana navoitra na entina hanabeazana ny hafa. Mangataka anao izahay mba hanivana ny fampahalalana ampidirinao ao amin’ny fifanakalozan-kevitra ataonao an-jotra sy ao amin’ny Votoatin-javatra nandraisana anjara hafa, ka handefa izany amin’ny email na zavatra hafa raha toa ka fomba ifandraisana manokana na fampahalalana momba ny tena manokana na saro-pady ny zavatra havoakanao. Manaiky ianao fa ny zavatra rehetra ampidirinao ao amin’ny toerana fifanakalozan-kevitra dia azon’ny olona rehetra afaka miditra ato amin’ity tranonkala ity jerena. Ny toerana fifanakalozan-kevitra dia natao hisian’ny fiaraha-miasa, mba hampifandrindrana ny fanitsiana ireo zavatra diso, ary hanamorana ny fikarohana fanampiny miaraka amin’ireo mpampiasa hafa izay liana. Ny toerana fifanakalozan-kevitra dia tsy tokony (a) hampiasaina amin’ny tanjona tsy mifanaraka amin’ny lohahevitra iadiana hevitra, na (b) hahitana fampahalalana izay mety handratra na hahamenatra olona mbola velona, na (d) hahitana fiteny na votoatin-javatra manafintohina, na tsy mendrika, na tsy mety, na mandrahona, na manevateva. Mety hitranga ny tsy fitovian-kevitra mahakasika ny zava-misy momba ny olona iray efa maty, ary ny tsy fitovian-kevitra toy izany dia tokony horesahina amin’ny teny mazava mifototra amin’ny zava-misy ary mitanisa ny loharano nakana fampahalalana raha azo atao, fa tsy mampiasa teny na fanehoan-kevitra tsy voatandrina, na manevateva, na feno haratsiam-panahy. Ny toerana fifanakalozan-kevitra dia tsy tokony hampiasaina hanomezana rohy mankany amin’ny tranonkala ivelany izay misy votoatin-javatra tsy mendrika (na dia mety tsara amin’ny votoatin-javatra aza ireo rohy mankany amin’ireo fampahalalana misy ifandraisany sy mahaliana momba ny olona efa maty) na mba hitadiavana asa na hanaovana tolotra hanao  fikarohana. Na tsy adidinay aza ny manao izany, dia manana zo izahay, noho ny maha-hany tompon’ny fanapahan-kevitra anay, ny hamafa na hanova Votoatin-javatra nandraisana anjara nomena ao amin’ny toerana fifanakalozan-kevitra sy toerana hafa mitovy amin’izany ary handà ny fidiran’ireo mpampiasa amin’ireo toerana ireo na misy antony na tsia. Mba jereo ny ao amin’ny fizarana hoe Fitsipi-pitondrantena raha hijery fanazavana momba ny mety ho vokatry ny fampiasana amin’ny fomba tsy mendrika ny toerana fifanakalozan-kevitra sy ny toerana mitovy amin’izany. 

Rindrambaiko

Raha afaka misintona rindrambaiko ianao ato amin’ity tranonkala ity, dia mifanaraka amin’ny Fanomezan-dalana hampiasa izany izay miaraka amin’ilay rindrambaiko ihany no azonao ampiasana izany rindrambaiko izany. Ianao irery no tompon’andraikitra amin’ny fanarahana ireo fanaraha-maso ny fanondranana ao Etazonia izay mety mihatra amin’izay rindrambaiko omena ato amin’ity tranonkala ity.

Zo Handefa

Izay Votoatin-javatra nandraisanao anjara ampidirinao ato amin’ity tranonkala ity dia fehezin’ity Fifanarahana ity sy ny Fifanarahana mikasika ny fandefasan-javatra an’ny FamilySearch. Maneho ianao ary manome toky fa tsy handefa zavatra ato amin’ity tranonkala ity izay manitsakitsaka ny zon’ny hafa (tafiditra amin’izany, saingy tsy voafetra, ny zon’ny mpamorona, ny zo hanana fiainana manokana, ny zo hanao dokam-barotra, ny zom-pifanarahana, na ny zo hafa mahakasika ny fananan-javatra). Isaky ny mandefa Votoatin-javatra nandraisana anjara ato amin’ity tranonkala ity ianao dia manamafy fa manana zo ara-dalàna handefa izany Votoatin-javatra nandraisana anjara izany aminay sy hanome anay sy ireo nomenay lalana ireo zo sy fahazoan-dalana voalaza ato amin’ity Fifanarahana ity sy ao amin’ny Fifanarahana mikasika ny fandefasan-javatra an’ny FamilySearch. Manaiky ny andraikitra ara-dalàna amin’ny fampiasanay izay Votatin-javatra nandraisana anjara nampidirinao ianao. Ianao irery no tompon’andraikitra amin’ny Votoatin-javatra nandraisana anjara rehetra izay nampidirinao, na navoakanao, na koa nandraisanao anjara tato amin’ity tranonkala ity na tany amin’ny tranonkala hafa mifandray amin’ny FamilySearch.

Fandefasana Anarana ho an’ny ôrdônansy ara-pivavahana

Ny anaran’ny havanao ihany no tokony halefanao ho an’ny ôrdônansy ara-pivavahana isoloana tena, ary tsy tokony handefa ny anaran’ireo olona tsy misy rohim-pihavanana toy ny olo-malaza ianao, na ireo anarana nangonina avy amin’ny tetikasa fitrandrahana tsy nankatoavina, toy ireo Jiosy niharam-boina tamin’ilay fandringanana lehibe.

Fitsipi-pitondrantena

Manaiky ianao fa tsy handefa na hamoaka irery na ao anatina ezaka iombonana fampahalalana izay mety heverina ho mandratra na manafintohina ny mpampiasa hafa ato amin’ity tranonkala ity (na izany amin’ny fisoratana anarana, ho zavatra alefa amin’ny tetiarana, ao amin’ny toerana fifanakalozan-kevitra, na amin’ny amin’ny alalan’ny fomba hafa izay azo anolorana Votoatin-javatra nandraisana anjara). Manaiky ihany koa ianao tsy hitonon-tena ho mpampiasa hafa na amin’ny tanjona inona na amin’ny tanjona inona, tafiditra amin’izany ny manafina ny momba anao na mampiditra ny hafa amin’ny zavatra nataonao. Manaiky ianao fa tsy hitrandraka, na hanangona, na hampiasa fampahalalana avy amin’ity tranonkala ity amin’ny fomba izay mety handratra, na hanala baraka, na manenjika, na mitsara olona na fikambanana. Manaiky ihany koa ianao fa raha tsy nahazo fahazoan-dalana an-tsoratra mialoha avy aminay, dia tsy hampiasa izay rindrambaiko, na teknôlôjia, na fitaovana hisintonana zavatra mavesatra, na hangalatra votoatin-javatra, na koa hanangona fampahalalana na fitaovana avy amin’ity tranonkala ity. Manaiky ianao ny tsy hiala amin’ireo fanaraha-maso na lalàna mikasika ny fampiasana izay napetrakay. Manaiky ianao fa tsy hamerina hamokatra, na handika, na hisintona, na hamindra, na hampiseho, na hanatanteraka, na hanaparitaka, na hivarotra, na hampiasa ny ampahany amin’ity tranonkala ity na ny fitaovana ao amin’izany ho ampiasain’ny tena manokana na hitadiavam-bola. Manaiky ianao fa tsy hanao hetsika mifandraika amin’ity tranonkala ity, na ny votoatiny, na ireo mpampiasa azy izay mety ho fandikan-dalàna na mety hiteraka raharaha sivily. Ho fanampin’izay dia manaiky ianao fa tsy hamerina hanaparitaka, na handefa, na hamoaka, na hamindra, na hizara, na handrava, na hanapatapaka, na haka tahaka, na hikaroka ny fomba nanamboarana, na hamorona sangan’asa avy aminy, na hanorina indray ity tranonkala ity, na ireo tolotra ao aminy, na ny code source, na ny votoatiny raha tsy efa nahazo fahazoan-dalana an-tsoratra mialoha avy aminay. Manaiky ihany koa ianao fa tsy hanao na inona na inona mety hanelingelina ny fandehan’ny angon-drakitra mankany na avy amin’ity tanonkala ity na hisy fiantraikany amin’ny tolotra na ny fahombiazan’ity tanonkala ity. Mahatakatra ianao fa ny vokatry ny zavatra mandratra na manafintohina, na izay mety ho fanitsakitsahana hafa an’ity Fifanarahana ity, dia mety hahatonga ny fanafoanana ny zonao hampiasa ity tranonkala ity (tafiditra amin’izany ny zonao hampiasa ity tranonkala ity, sy izay tranonkala na application mobile hafa mifandray amin’ny FamilySearch, ary izay fitaovana rehetra avy aminy) ary fampiakarana anao any amin’ny fitsarana.

Fikarakarana ny Zavatra alefa

Tanjonay ny hanao ezaka araka ny tokony ho izy mba hitandroana ny Votoatin-javatra nandraisanao anjara ary hisorohana ny fahadisoana na ny fanadinoana ao amin’ny votoatin’ity tranonkala ity. Na izany aza dia manaiky ianao fa tsy tompon’andraikitra izahay amin’ny fahadisoana na fanadinoana amin’ny votoatiny mety ho hitanao ato amin’ity tranonkala ity, na noho ny fahaverezana, na fahapotehana, na fahasimban’ny Votoatin-javatra nandraisana anjara izay nalefanao na navoakanao.

Rohy

Mba ho tombontsoanao dia mety ahitana rohy mifandray amin’ny tranonkala karakarain’olon-kafa ity tranonkala ity. Tsy izahay no mitazona na mifehy ireny tranonkala ireny, ary tsy tompon’andraiktra amin’ny zavatra hita ao anatin’izany izahay. Na dia nanao ny ezaka rehetra aza izahay tsy hampifandray afa-tsy amin’ireo tranonkala izay tsara sy araka ny tokony ho izy, dia mety hahitana zavatra tsy araka ny tokony ho izy na tokony holavina ny ao anatin’ny sasany amin’izy ireny. Raha mahita votoatin-javatra toy izany ianao rehefa mampiasa tranonkala iray izay nidiranao tamin’ny alàlan’ny rohy eto amin’ity tranonkala ity dia ampahafantaro anay avy hatrany izany.

Mino izahay fa ireo izay mampiditra fampahalalana ao amin’ny Internet dia manantena fa ho azon’ny besinimaro jerena izany. Noho izany dia mino izahay fa ny fampifandraisana amin’ny alalan’ny rohy mankany amin’ny tranonkala hafa dia azo atao tsara araka ny lalàna ary mifanaraka amin’ny zavatra andrasan’ireo izay mampiasa ny Internet. Raha toa anefa ka tokony ho voafetra ny fidirana ao amin’ny tranonkala iray manokana dia tokony hampandre anay avy hatrany ny mpikirakira ny tranonkala toy izany.

Tsiambaratelon’ny Angon-drakitra sy Fiarovana izany

Amin’ny alàlan’ny fampiasana ity tranonkala ity sy ny fandefasanao ny angon-drakitrao manokana aminay, dia manaiky ny fomba fiasa any Etazonia, na any amin’ny toerana hafa, ianao ny amin’ny angon-drakitra manokana izay ampidirinao mifanaraka amin’ny Filazana mikasika ny tsiambaratelo. Manaiky ihany koa ianao fa hanaraka ny lalàna manan-kery rehetra momba ny fandefasana angon-drakitra manokana mankany na avy any Etazonia sy ny firenena misy anao.

Fitsarana sy Lalàna manan-kery

Ity fifanarahana ity dia eo ambany fifehezan’ny lalàn’ny Fanjakan’i Utah, Etazonia Amerika, tahaka ny fampiharana ireo fifanarahana ifanaovana sy ho tanterahana ao anatin’ny faritry ny fanjakana manontolo, ka tsy mandika na manitsakitsaka izay mety ho lalàna hafa. Na inona na inona zavatra ataonao mba hahafahana mampihatra ity Fifanarahana ity na izay mety ho zavatra mifandray amin’ity tranonkala ity dia ho entina na eo anatrehan’ny fitsarana an’ny fanjakana na ny fitsarana federaly izay ato amin’ny Distrikan’i Salt Lake, Utah, ary ianao dia manaiky ary maneho etoana ny fankatoavanao ny fahefan’izany fitsarana izany raha ny mikasika ny fanapahana momba izany fitoriana izany. Ekenao izany na aiza na aiza toerana misy anao na inona na inona tsy mifanaraka aminao. Raha misy andininy amin’ity Fifanarahana ity ka tsy mifanaraka amin’ny lalàna, na tsy manan-kery na tsy azo ampiharina manontolo, na amin’ny ampahany, dia tsy ho voakasik’izany ireo andininy hafa rehetra, raha tsy hoe voamarinay angaha fa ampahany tena iankinan’ity Fifanarahana ity ilay andininy, tsy manan-kery na tsy azo ampiharina, ary amin’izay tranga izay dia azonay atao ny manapa-kevitra ny hanisy tovana amin’ity Fifanarahana ity.

Fetran’ny maha tompon’andraikitra

Tsy azo raisina ho tompon’andraikitra izahay raha toa ka misy fahasimbana manokana na ateraky ny fampiasanao na ny tsy fahafahanao mampiasa ny zavatra ao anatin’ity tranonkala ity na izay mety ho tranonkala mifandray amin’ity, tafiditra ao anatin’izany, fa tsy voafetra amin’ireo, ny tombom-barotra very, na ny raharaham-barotra tapaka, na fahaverezan’ny prôgrama  na ireo angon-drakitra hafa ao amin’ny rafitra hikirakiranao ny fampahalalana anananao. Na oviana na oviana dia tsy ho raisina ho tompon’andraikitra izahay hanefa mihoatra noho izay sarany nalohanao mba hidirana tato amin’ity tranonkala ity na izay tranonkala mifandray amin’ity noho ny fatiantoka na ny fahavoazana na ny fitondrana raharaha eo anoloan’ny fitsarana.

Fanambarana ny tsy maha-tompon’andraikitra

ITY TRANONKALA ITY SY IREO FITAOVANA AO ANATINY ARY IZAY METY HO TRANONKALA MIFANDRAY AMINY DIA ATOLOTRA “AMIN’IZAO ENDRINY IZAO” ARY TSY MISY NA ANTOKA MANAO AHOANA NA MANAO AHOANA, NA VOALAZA MAZAVA IZANY NA TSIA. AMIN’NY LAFINY FENO INDRINDRA ARAKA NY LALÀNA VELONA NO HANAMBARANAY FA TSY TOMPON’ANDRAIKITRA IZAHAY AMIN’IZAY METY HO FAMPANANTENANA NA ANTOKA, NA VOALAZA MAZAVA IZANY NA TSIA, TAFIDITRA AMIN’IZANY, FA TSY VOAFETRA AMIN’IREO, NY FIFANARAHANA HOE HO AROVANA NY FIZAKAM-PANANAN’NY MPIVIDY SY NY FAMPANANTENANA ATERAKY NY FAMPIHARANA NY LALANA FA HIFANARAKA AMIN’IZAY TANJONA NAMAROTANA AZY NY ZAVATRA IRAY NAMIDY. TSY MANOME ANTOKA IZAHAY FA TSY HO TAPAKA NA TSY HISY TSY FETEZANA IREO FAMPIASANA HITA AO AMIN’ITY TRANONKALA ITY, FA HO VOAHITSY IZAY METY HO TSY FETEZANA, NA KOA HOE TSY MISY VIRUS NA ZAVATRA HAFA METY HANIMBA ZAVATRA ITY TRANONKALA ITY NA NY SOLOSAINA FOIBE IZAY MAMPANDEHA AZY.

Marika famantarana

Ity manaraka ity dia lisitra tsy feno amin’ny marika famantarana sy ny famantarana ny tolotra arosonay sy ny an’ireo mpiara-miasa aminay:

FamilySearch

FamilySearch GEDCOM

International Genealogical Index

RootsTech

The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints

Ireo marika famantarana ireo dia famantarana ny FamilySearch na ny Intellectual Reserve, Inc. ary voasoratra araka ny lalàna any Etazonia sy any amin’ny firenena hafa. Raha mila fampahalalana fanampiny mahakasika ny marika famantarana sy ny famantarana ny tolotra arosonay sy ny an’ireo mpiara-miasa aminay sy ny fomba mety fampiasana azy, dia jereo ny Torolalana momba ny fampiasana ireo mariky ny FamilySearch

Fanontaniana 

Raha mila fanampiana na fampahalalana fanampiny momba ny marika famantarana sy ny famantarana ny tolotra arosonay sy ny an’ireo mpiara-miasa aminay sy ny zon’ny mpamorona dia azonao atao ny mifandray amin’ny Biraonay misahanana ny fananan-jo amin’ny:

Laharan-tarobia: 1-801-240-3959 na ny 1-800-453-3860, poste. 2-3959
Fax: 1-801-240-1187
E-Mail: cor-intellectualproperty@FamilySearch.org

Nohavaozina tamin’ny: 2023-09-01