Ny karazana toeran’ny FamilySearch

Ivon-toeran’ny FamilySearch
Ny ivon-toeran’ny FamilySearch dia manolotra fitaovana sy loharanom-pitaovana hikarohana ny tetiaranao sy ny tantaram-pianakavianao. Manolotra fanampiana voatokana ho anao, fidirana amin’ny solosaina sy nokalan’ny tantaram-pianakaviana ary sarina raki-tantara izay mety tsy hita any an-toeran-kafa.

Tranomboky mifandray
Ny Tahirim-pahalalana iombonana amin’ny FamilySearch dia manolotra loharonom-pitaovana toy ireto hita ao amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch ireto, ohatra fidirana amin’ny fanitarana ny angon-tetiarana nomerika ao amin’ny FamilySearch. Ny tahirim-pahalalana iombonana dia mety ho tranom-boky an’ny daholobe na tranom-bokin’ny oniversite na Tahiry na tranom-bakoka, na ivon-toerana kolotoraly na tetiarana na tantaram-piaraha-monina.

Tranombokin’ny FamilySearch
Ny tranomboky, hita ao Salt Lake City, Utah, dia ahitana ny angom-piraketana tetiarana lehibe indrindra maneran-tany. Fanampiny fiofanana fikarohana ataon’ny mpiasa, dia manolotra fidirana maimaim-poana amin’ny angona raki-tetiarana, boky ary loharanom-pitaovana nomerika izany. Misokatra ho an’ny daholobe ny tranomboky tsy misy vola aloha, ary ny sasany amin’ireo loharanom-pitaovany dia misy an-jotra.

Fidirana amin’ny FamilySearchVotoatiny manokana ao amin’ny trano fiangonana
Afaka miditra amin’ny votoatin’ny ivon-toerana manokan’ny FamilySearch amin’ny solosainao manokana ianao any amin’ny trano fivorian’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Sintomy fotsiny ary apetraho ny fanitarana “FamilySearch Center Premium Content” ao amin’nyGoogle ChromenaMozilla Firefox.
