Ôrdônansy Vonona:
Hitady anarana hoentina any amin’ny tempoly
Angony ireo razambenao ho ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana masin’ny tempoly.

Inona no atao hoe Ôrdônansy Vonona?
Ny Ôrdônansy Vonona dia manome antoka ny hanananao anarana hoentina any amin’ny tempoly—isaky ny mandeha. Amin’ny alalan’ny fanindriana bokotry ny solosaina vitsy monja, dia mikaroka ny hazon-tetiaranao sy ireo loharano hafa mba hanolorana anao eo no ho eo ireo anarana mba hahafahanao mifantoka amin’ny zavatra manan-danja indrindra izany: ny manakaiky kokoa an’i Kristy amin’ny alalan’ny asa fanompoana any amin’ny tempoly.
Ahoana no fomba ampiasako ny Ôrdônansy Vonona?
Safidio ny hoe lahy sa vavy.
Safidio ny ôrdônansy tianao hotanterahina.
Ataovy printy any an-trano na rehefa ao amin’ny tempoly ireo karatra.
Mahazoa anarana vonona hanaovana asa any amin’ny tempoly izao.
Ahoana no fomba fiasan’io Ôrdônansy Vonona io?
Amin’ny alalan’ny fanindriana bokotry ny solosaina vitsivitsy monja, ny Ôrdônansy Vonona dia mikaroka ny:
- Hazon’ny tetiaram-pianakavianao ho an’ireo havana efa nodimandry izay mila hanaovana asa any amin’ny tempoly.
- Anarana zarain’ny olona ao amin’ny fianakaviana ao amin’ny paroasy na tsatòka misy anao.
- Anarana zarain’ireo mpikamban’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao.

Nahoana aho no tokony mampiasa ny Ôrdônansy Vonona?
Ny Ôrdônansy Vonona dia manampy ireo mpampiasa amin’ny ambaratongam-pahaizana amin’ny fampiasana rehetra hahita anarana vonona hoentina any amin’ny tempoly efa voamarina sy voamarika tsisy verin-droa mba hakana antoka fa efa azo tanterahina tsara ny asa. Na mieritreritra ianao fa efa vita avokoa ny asa rehetra atao any amin’ny tempoly ao amin’ny fianakavianao na tsia, dia hahita foana olona iray ao amin’ny fianakavianao, na eo amin’ny manodidina anao, na manerana izao tontolo izao izay mila hanatanterahana ôrdônansy ny Ôrdônansy Vonona.


“Raha manana hery hitahiana ireo izay any ampitan’ny voaly ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, dia manana hery mitovy mba hitahiana ny velona koa izany. Izany dia mitondra fiantraikany tena tsara eo amin’ireo izay manolo-tena hanao izany.”
Russell M. Nelson
Filoha sady Mpaminanin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany
Fanontaniana apetraka matetika
Loharanom-panampiana misy
Ho an’ny mpitarika ny paroasy, sampana, ary tsatòka
Mamantatra ireo loharano sy toromarika ankapobeny ho an’ny fitarihana ao amin’ny paroasy sy sampana ary eo anivon’ny tsatòka. Manampy ireo mpikamban’ny Fiangonana hanolo-tena amin’ny tantaram-pianakaviana sy ireo ôrdônansin’ny tempoly.
Hamantatra misimisy kokoa ›Ho an’ny mpanoro hevitra momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana
Ampio ireo mpikambana hiaina ireo fitahiana avy amin’ny fikarohana ireo razambeny sy ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo.
Hamantatra misimisy kokoa ›Fanampiana sy fianarana fanampiny
Mianara misimisy kokoa momba ny Ôrdônansy Vonona ary mahazoa valin’ireo fanontaniana fanampiny.
Hamantatra misimisy kokoa ›Ôrdônansy Vonona
Ny Ôrdônansy Vonona no fomba mora indrindra ho an’ny mpikambana rehetra mba hanangonana ny hafa ho ao amin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fitadiavana amim-pahombiazana ireo anarana mifandrain’ny fianakaviana izay mila ireo ôrdônansin’ny famonjena any amin’ny tempoly.
