Ny antsoko: mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana Inona no hifantohako?

Amin’ny maha mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy, dia manampy ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana hanatona an’i Kristy ianao rehefa mandray anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa ao amin’ny Tempoly izy ireo (Boky Torolalan’ny Fiangonana maneran-tany 25.2.4).

Hanampy anao hanomboka izany ireo dingana etsy ambany.

Filoha Dallin H. Oaks
“Mifototra amin’ny fianakaviana ny fotopampianaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Zava-dehibe eo amin’ny fotopampianarantsika momba ny fianakaviana ny Tempoly. Manome fahafahana antsika hiverina eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra amin’ny maha fianakaviana mandrakizay antsika ireo ôrdônansa raisina any”.

Filoha Dallin H. Oaks, Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy izay mifototra amin’ny fianakaviana

Mifantoka voalohany hatrany amin’ny Mpamonjy

Rehefa manasa ireo mpikambana hitsaoka ao amin’ny tranon’ny Tompo sy hanatanteraka ôrdônansy ho an’ireo razambe ianao dia atombohy amin’ny Mpamonjy izany. Zarao ny fomba hamatotra an’ireo fanekempihavanan’ny tempoly antsika amin’ny Mpamonjy, sy hanampian’izany antsika hahatsapa fitarihana sy fankaherezana, ary hanamafy orina antsika amin’ny fiarovany sy ny heriny.

Ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ety an-tany, dia ho ao aminy.

Efesiana 1:10

Hampiasa Ôrdônansy Vonona

Ampio ny mpikambana hampiasa ny Ôrdônansy Vonona—ny fomba mora indrindra ho an’ny mpikambana rehetra mba hanangonana ny hafa ho ao amin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fitadiavana amim-pahombiazana ny anaran’ireo izay mila ireo ôrdônansin’ny famonjena any amin’ny tempoly. Hamantatra misimisy kokoa

Ampidiro ny zavatra fantatrao

Amporisiho ny mpikambana rehetra mba hampiditra fotsiny ny zavatra fantatr’izy ireo ao amin’ny hazon-tetiaran’izy ireo—anarana, sary, zava-nitranga teo amin’ny fiainana, tantara, ary fahatsiarovana hafa momba ireo olon-tiana izay azo angonina ao amin’ny Mpamonjy.

Ireo mpitarika izay manampy ny mpikambana vaovao sy zatovo hiomana amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana azy ireo voalohany dia afaka mampiasaFanampiana amin’ny anaram-pianakaviana.

Loharano azo sintonina

LesonaFampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay

Ity rindran-damin’ny lesona ity dia afaka manampy anao hampianatra ireo fitahiana izay tonga amin’ny alalan’ny asa fanompoana atao any amin’ny tempoly sy ny asa fanompoana mikasika tantaram-pianakaviana.

Ho any amin’ny lesona