- Filazana mikasika ny maha tsiambaratelo
- Fepetra fampiasana
- Fifanarahana mikasika ny fandefasana fampahalalana avy amin’ny tena manokana napetraky ny FamilySearch
- Fifanarahana sy fepetran’ny fandefasana hafatra an-tsoratra
- Ireo torolalana sy fitsipika momba ny fandefasan-javatra
- Torolalana mikasika ny fampiasana ireo marika famantarana ny FamilySearch
- Data Processing and Transfer Terms
Filazana mikasika ny tsiambaratelon’ny FamilySearch
Nohavaozina ny 2025-01-02
Ny FamilySearch International, orinasa iray tsy mitady tombontsoa any Utah izay manana birao foibe ao Salt Lake City, Etazonia ("FamilySearch"), dia natokana ho amin’ny fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana sy ny tetiarana. Ny filazana hoe “izahay,” na hoe “anay” dia miresaka momba ny FamilySearch. Ato amin’ity Filazana ity izahay dia manome anao fampahalalana momba ny fomba fikirakiranay ny lahatahirinao manokana.
Ny famoronana kaonty an-jotra ao amin’ny tranonkala sy ireo applications ("Tranonkala") izay anay na koa ny fandefasana zavatra ao amin’ny FamilySearch dia mamela anao hiditra ao amin’ireo tolotra sy tranonkala izay omenay, anisan’izany ny fananganana ny hazon-tetiaram-pianakaviana; sy ny fifandraisana amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana; ary ny fidirana sy fizarana ireo sarin’ny fianakaviana, firaketana nomerika, raki-tantara am-bava, ary fahatsiarovana hafa nampidirinao na ny havanao, na izay azo avy amin’ireo loharano ho an’ny daholobe sy ara-tantara manerana izao tontolo izao.
Ny FamilySearch dia manaja ny tsiambaratelon’ireo olona izay mampiasa ny tranonkalanay. Ato amin’ity Filazana mikasika ny tsiambaratelo ity izahay dia mamaritra ireo lahatahirin’ny tena manokana izay angoninay, sy ireo zavatra fototra arahinay amin’ny fikirakirana ireo lahatahirin’ny tena manokana, ary ireo sata mifehy ny fikirakiranay ireo lahatahiry izay mifanaraka amin’ny zonao sy ny lalàna manan-kery. Mamporisika anao izahay hamaky tsara ity Filazana mikasika ny tsiambaratelo ity alohan’ny handefasana aminay ireo lahatahirin’ny tena manokana. Koa satria miankina amin’ny fikirakirana ireo lahatahirinao manokana ny zavatra avoaka ao amin’ny tranonkalanay, izay mifanaraka amin’ireo Sata mifehy ny Fampiasana sy ny Fifanarahana momba ny fandefasana votoatin-javatra an’ny FamilySearch, dia mba vakio tsara ihany koa azafady ireo antontan-taratasy ireo.
1. Iza no mifehy ireo lahatahirinao manokana?
Rehefa mizara ny lahatahirinao manokana ao amin’ny Tranonkalanay ianao na mandray anjara amin’ny fifanakalozana na fifandraisana aminay, dia kirakiranay ny lahatahirinao manokana amin’ny maha-mpifehy ny lahatahiry anay.
Ny FamilySearch dia mikambana sy tohanan’ny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (ny "Fiangonana") ho toy ny fanompoana ny rehetra. Ny famoronana kaonty an-jotra ao amin’ny Tranonkalanay dia tsy midika hoe manaiky na mikambana amin’ny Fiangonana ianao.
2. Inona no lahatahirin’ny tena manokana angoninay?
Ny lahatahirin’ny tena manokana izay angoninay dia ireo izay (a) alefanao; (b) alefan’ny mpampiasa hafa; (d) raketinay; ary (e) azonay avy amin’ny ankolafy hafa.
a. Ireo lahatahiry alefanao. Mandefa lahatahirin’ny tena manokana aminay ianao, dia mety hangoninay ireo lahatahirin’ny tena manokana izay alefanao, rehefa mamorona kaonty ao amin’ny tranonkalanay ianao, na mangataka fitaovan’ny FamilySearch, na mangataha fidirana amin’ireo tolotra omen’ny FamilySearch na ao amin’ny Tranonkala, na mandefa na mampiditra lahatahirin’ny tena manokana ao amin’ireo fitaovan’ny FamilySearch na ny Tranonkala (ohatra, manorina ny rafi-tetiaran’ny fianakavianao), na mandray anjara amin’ireo fifanakalozana na fifandraisana hafa amin’ny FamilySearch. Rehefa mifandray amin’ny FamilySearch ianao ka mamorona kaonty, dia ny anaranao, ny daty nahaterahanao, ny laharan’ny finday, ny adiresy mailaka, ny toerana misy anao (ohatra, ny firenena), ary ny maha-lahy na maha-vavy anao amin’ny ankapobeny no kirakirainay. Azonao atao ihany koa ny mandefa lahatahiry momba ny kaonty sy ny fisoratana anarana ho fikirakirana, toy ny solon’anaranao, ny anaranao miseho, ny tenimiafinao, ny adiresy mailakao, ary ireo kirakira sy ny safidy nataonao.
Rehefa mampiasa ny tolotray ianao dia afaka misafidy ihany koa ny handefa fampahalalana fanampiny mba handraisanao anjara amin’ny finiavanao manokana amin’ireo hetsika hafa momba ny tetiarana ataon’ny FamilySearch, tafiditra ao anatin’izany ny fandefasana lahatahiry manokana ara-tetiarana (ohatra, tantaram-piainana, zava-mitranga eo amin’ny fiainana, anarana hafa, fifandraisan’ny fianakaviana, zava-misy eo amin’ny fiainana, fahatsiarovana, lahatahiry momba ny tantaram-piainana), sary, fahatsiarovana, firaketana, ary fampahalalana ara-tantara momba anao sy ny havanao. Ianao no misafidy ny lahatahirin’ny tena manokana izay halefa, ary amin’ny tranga sasany dia azonao atao ny misafidy ny handefa fampahalalana izay azo raisina ho saro-pady, toy ny foko, na ny firazanana, na ny fiaviana, na ny fivavahana, na ny maha olom-pirenena, na ny fampahalalana ara-pahasalamana, na ny maha mpifindra-monina. Na izany aza anefa dia tsy tokony handefa na hizara zavatra saro-pady momba ny olona hafa ankoatra ny tenanao ianao raha toa ka mbola velona ilay olona.
b. Lahatahiry alefan’ny hafa. Araka ny hanazavanay azy amin’ny antsipiriany kokoa ao amin’ny hoe “Iza no izaranay ireo lahatahirin’ny tena manokana?,” ny rafitry ny FamilySearch dia mamela ireo mpampiasa hafa ao amin’ny Tranonkala, toy ny havanao, mba handefa ny lahatahirinao manokana izay tsy saro-pady ho ao anatin’ny hazon-tetiarana na fitaovana hafa voafetra. Ny fahafahana mizara fampahalalana fototra momba ireo olona ao amin’ny fianakaviana dia manan-danja amin’ny fanatanterahana fikarohana tetiarana sy fampifandraisana ireo mpikaroka amin’ny hazon-tetiarany. Rehefa mandefa ny lahatahirin’olona iray manokana izay mbola velona (“Lahatahirin’ny velona”) ao amin’ny rafi-tetiarana ny mpampiasa iray, dia izy irery ihany no afaka mahita izany Lahatahirin’ny velona izany. Amin’ny toe-javatra sasany izay voafetra dia mety ho afaka mizara lahatahiry toy izany ihany koa ilay mpampiasa fa amin’ny faritra voafetra ao amin’ny tranonkala miaraka amin’ny mpampiasa vitsivitsy ao anatina vondrona iray mihidy, izay amin’ny alalan’ny fanasana ihany no ahafahana miditra ao. Ny mpampiasa tsirairay dia tompon’andraikitra amin’ny fikirakirana izay Lahatahirin’ny velona rehetra alefan’izy ireo na zarainy ao amin’ny Tranonkala, ary tsy hanao izany afa-tsy amin’ny tanjon’ny tena manokana mba hiraketana sy hikarohana ny tantaram-pianakaviany, araka izay takian’ny Fifanarahana momba ny fandefasana votoatin-javatra sy ny Sata mifehy ny fampiasana.
d. Ny lahatahiry raketinay sy ireo “Cookies”. Rehefa mitsidika ireo loharano avy aty aminay ianao dia mety hangonin’ny solosaina foibe (amin’ny fampiasana raki-tahiry momba ny fidirana tranonkala na rafitra mampiasa sivana) ireo fampahalalana izay alefan’ny fitety tranonkala ampiasainao isaky ny mitsidika tranonkala iray ianao. Mety ho tafiditra ao amin’izany fampahalalana izany, fa tsy voafetran’izany, ny adiresin’ny protocole Internet ampiasainao (adresse IP), ny karazana fitety ampiasainao, ny système d’exploitation (rafitra mampandeha solosaina) ampiasainao, ny fiteny tianao, pejin’ny tranonkala nanondro lalana izay notsidihanao talohan’ny nidiranao tao amin’ny tranonkalanay, ny daty sy ny ora hanaovan’ny mpitsidika tsirairay fangatahana, ireo fampahalalana izay tadiavinao ao amin’ireo loharano ampiasainay, ary ireo fampahalalana hafa voangon’ireo cookies na teknôlôjia mitovitovy amin’izany. Jereo azafady ny fitaovana fanaovana safidy tiana momba ny Cookie (“Safidy tiana momba ny Cookie”) napetrakay izay aseho ao amin’ny application tsirairay ho an’ny finday sy ny ambanim-pejin’ireo tranonkalanay mba hianarana bebe kokoa. Ny safidy tiana momba ny Cookie dia manome fahafahana anao hisafidy ireo karazana cookie ampiasainay. Raha lavinao ny cookies, dia mety tsy ho afaka hampiasa ireo fizarana na fitaovana sasantsasany ao amin’ny tranonkalanay na ny applications araka ny voasoritra ao amin’ny Safidy tiana momba ny Cookie ianao. Fantaro ihany koa fa misy ireo cookies sasantsasany ilaina amin’ny fampandehanana ny tranonkala izay tsy azonao ajanona. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny Tranonkalanay dia manaiky ny hampiasa cookies ianao araka ny voafaritra ao amin’ny Safidy tiana momba ny Cookie. Azonao atao ny miala amin’ny cookies sasantsasany ampiasaina ao amin’ny tranonkalanay amin’ny alalan’ny fanindriana ny rohy Safidy tiana momba ny Cookie eo ambanin’ity pejy ity.
e. Lahatahiry avy amin’ny ankolafy hafa. Raha mpikamban’ny Fiangonana ianao, ka mangataka ny hampifandraisana ny kaontinao ao amin’ny FamilySearch sy ny kaontinao an-jotra ao amin’ny Fiangonana, dia afaka mahazo ny lahatahirinao manokana avy amina fikambanana mifandray amin’ny fomba ôfisialy amin’ny Fiangonana izahay (ohatra, lahatahirin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana sy ny lahatahirin’ny kaonty ao amin’ny Fiangonana).
Raha toa ka eken’ny lalàna manan-kery, dia afaka mahazo lahatahiry manokana ara-tetiarana sy ara-tantara momba anao avy amin’ireo arsiva na loharanom-pahalalana hafa misy ampahibemaso ihany koa izahay.
3. Ahoana no fikirakiranay ny lahatahirinao manokana?
Amin’ny ankamaroan’ny tranga dia amin’ny fampiasana fitaovana mandeha ho azy (fikirakirana mandeha ho azy) no ikirakiranay ny lahatahirinao manokana, fa amin’ny tranga sasany kosa dia mety hokirakirainay tsy mampiasa fitaovana mandeha ho azy (fikirakirana an-tanana) ny lahatahirinao manokana, na amin’ny fanakambanana fitaovana fikirakirana mandeha ho azy sy mandeha an-tanana (fikirakirana mifangaro).
Mety hahitana ireto manaraka ireto ny fikirakirana ny lahatahirinao manokana: fanangonana, firaketana, fandaminana, fandrafetana, fitehirizana, fampifanarahana na fanovàna, famakafakana, fakana, fandinihana, fampiasana, famoronana (fampitana, fidirana, fampahafantarana), anisan’izany ny famindrana miampita ny sisintany araka izay hazavaina ao amin’ity Filazana ity, fampifanitsiana na fampifandraisana, famoronana tahirin-kevitra fanampiny, famehezana, famafana, na fandravana ny angon-drakitra momba ny fampahalalana ny tenanao manokana.
4. Inona avy ireo antony hikirakiranay ny lahatahirin’ny tena manokana?
Ny ikirakiranay ny lahatahirinao manokana dia noho ny Tranonkala sy ny tolotra omen’ny ny FamilySearch ho an’ireto tanjona manaraka ireto:
- Tetiarana/Fikarohana tantaram-pianakaviana: Mba hanomezana fanofanana sy loharanom-panampiana ary fitaovana hanampy anao sy ny havanao hamantatra ny razambenao sy ny firazananao, hanorina ny hazon-tetiaran’ny fianakavianao, hitarika fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana, ary hifandray amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviana.
- Fitehirizana ireo rakitra ara-tantara: Ho fitehirizana amin’ny endriny nomerika ireo antontan-taratasy, sary, vakoka, ary firaketana ampahibemaso ara-tantara ho an’ireo taranaka ho avy.
- Firaketana tantaram-pianakaviana: Hiraketana ny fampahalalana manan-danja momba ny tantaram-pianakaviana, sy ara-tantara ary ara-kolotsaina izay mety ho very raha tsy izany (ohatra, tantara am-bava).
- Fifandraisana sy fiaraha-miasa: Mba hamelana anao hifandray sy hiara-hiasa amin’ireo mpampiasa hafa rehefa manao fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana, toy ny ao amin’ny fitaovana fifanakalozan-kevitra.
- Fitantanana ny tranonkala:
- Mba hanamarinana ny fahafahanao miditra amin’ny kaontinao ao amin’ny FamilySearch ary ireo application sy tolotra hafa vokarin’ny FamilySearch.
- Mba hifandraisana aminao, sy hamaliana ireo fanontanianao, ary hanomezana fampahalalana anao mahakasika ireo olana ara-teknika, na ara-piarovana, na olana hafa amin’ny fiasa.
- Mba hanorenana sy hanatsarana ny tranonkalanay sy ny fitaovanay ary ireo tolotray, tafiditra amin’izany ny fanaovana fanaraha-maso mandinika ny zavatra ataonao ao amin’ny tranonkalan’ny FamilySearch.
- Mba hampandrenesana anao an’ireo applications sy tolotra vaovao an’ny FamilySearch, sy hanasana anao handray anjara, ary hanairana anao raha toa ka misy olona mety ho havana vaovao ao amin’ny hazon-tetiaranao.
- Mba hisorohana ny fahadisoana, na ny hosoka, na ny asan-jiolahy sy hampiharana ny Sata mifehy ny fampiasana.
5. Inona no lalàna fototra arahinay rehefa mikirakira ny lahatahirinao manokana?
Miezaka maka antoka izahay fa manana fototra ara-drariny sy ara-dalàna amin’ny fikirakirana ireo lahatahirin’ny tena manokana rehetra izay angoninay izahay. Ny lalàna fototra arahinay amin’ny fikirakirana dia mety ho samy hafa arakaraky ny faritra misy ny tranonkala; sy ireo tanjona izay hikirakiranay ny lahatahirinao manokana, anisan’izany ireo tanjona voafariparitra etsy ambony ao amin’ny hoe “Inona avy ireo antony hikirakiranay ny lahatahirin’ny tena manokana;” ary ireo zavatra takian’ny lalàna eo an-toerana ao amin’ny faritra misy anao.
Ny lalàna fototra voalohany arahinay amin’ny fikirakirana ny lahatahirin’ny tena manokan’ny mpampiasa dia ny fanekena, izay azonay avy aminao rehefa mamorona kaonty ao amin’ny Tranonkalanay ianao, na rehefa mampiditra tsy tapaka fampahalalana manokana ao amin’ny Tranonkalanay ianao, na rehefa mameno taratasy hafa izay andefasanao ny lahatahirinao manokana any amin’ny FamilySearch ianao.
Mety hikirakira ny lahatahirin’ny tena manokana ihany koa izahay mba hihazonana ny satanay ara-dalàna ho fikambanana tsy mitady tombontsoa misahana ny fikarohana tetiarana, tafiditra ao anatin’izany raha ilaina ny manome anao rafitra hanaovana sy hamenoana fikarohana momba ny tetiarana ary hanao fanamarinana, fanadihadiana lahatahiry, famahana olana amin’ny rafitra, ny fangatahana ara-dalàna, ary adidy ara-dalàna. Amin’ny tranga tsirairay dia hataonay mifandanja ny satanay ara-dalàna sy ny zo amam-pahalalahanao ary tsy hikirakira afa-tsy ireo lahatahiry izay ilaina mba hanatanterahana ireo tanjona voafaritra etsy ambony izahay.
Any amin’ny faritra sasany izay voafetra ao amin’ny Tranonkalanay dia manolotra rafitra mihidy izahay izay ahafahan’ny mpampiasa mizara Lahatahirin’ny velona amin’ny vondrona kely iray izay ahitana mpampiasa hafa nasaina, araka izay ilaina mba hitarihana ny fikarohana tetiarana. Ao amin’ireo faritra ireo ny FamilySearch dia mikirakira ny votoatin-javatra navoakan’ny mpampiasa izay ahitana ny Lahatahirin’ny velona, mifanaraka amin’ny torolalan’ilay mpampiasa. Tsy mikirakira na mampiasa ny Lahatahirin’ny velona ho an’ny tanjonay manokana izahay na mamaritra ny lalàna fototra arahinay ho an’ny fikirakirana. Ny mpampiasa tsirairay dia tompon’andraikitra amin’ny fikirakiran’izy ireo manokana ny Lahatahirin’ny velona izay alefany na zarain’izy ireo ao amin’ny Tranonkala. Hahazo fampandrenesana ianao rehefa mandefa lahatahiry ao amin’ny iray amin’ireo faritra ireo (ohatra, hazon-tetiaran’ny mpampiasa na vondrona) ary hampahatsiahivina fa tompon’andraikitra amin’izay Lahatahirin’ny velona izay alefanao.
Miankina amin’ireo zavatra takina eo an-toerana ao amin’ny faritra misy anao, raha toa ianao ka mikirakira Lahatahirin’ny velona mifandray amin’ny zavatra ataon’ny tena manokana na ao an-tokantrano dia mety tsy hiharan’ny fepetra takina amin’ny lalàn’ny tsiambaratelo ianao. Na izany aza anefa dia tsy maintsy manana ny zo na ny fahazoan-dalana hizara izay Lahatahirin’ny velona amin’ny mpampiasa hafa ianao mifanaraka amin’ny Fifanarahana amin’ny fandefasana votoatin-javatra sy ny Sata mifehy ny fampiasana an'ny “FamilySearch”.
6. Iza no izaranay ireo lahatahirin’ny tena manokana?
Azonao atao ny manakana anay tsy hizara ny fampahalalana momba anao manokana na mametra ireo fampahalalana zarainay amin’ny alalan’ny fanovana ireo safidinao ao amin’ny mombamomba anao na amin’ny alalan’ny fifandraisana aminay amin’ny fampiasana ireo fampahalalana omena tetsy ambany. Zarainay amin’ny ankolafy hafa ny lahatahirinao manokana amin’ireto toe-javatra manaraka ireto:
a. Ankolafy hafa mpanome tolotra. Mety hanome lahatahiry mahakasika ny olona manokana izahay, ka tafiditra amin’izany ireo sokajy voafaritra ato amin’ity Filazana ity mba hanatanterahana asa eo amin’ny toeranay ho mpikirakira lahatahiry na orinasa mpikirakira (ohatra, ny fikirakirana ny fandoavam-bola, ny fikojakojana, ny fiarovana, ny fanadihadihana momba ny lahatahiry, ny fiantohana toerana, tolotra fandrefesana, fandefasan-kafatra amin’ny tambajotran-tserasera mifantoka amin’ny lahatahiry, fanadihadiana, sy ny sisa). Amin’ny toe-javatra toy izany, mifanaraka amin’ity Filazana ity sy araka ny takian’ny lalàna manan-kery, dia takianay ara-pifanarahana amin’ireo mpanome tolotra ny hiaro ireo lahatahiry momba ny tena manokana amin’ny fikirakirana fanampiny (anisan’izany ny tanjona ara-dokam-barotra) sy amin’ny fandefasana. Mba hahitana ny lisitr’ireo ankolafy hafa izay mety hanangona ny sasany amin’ireo lahatahirinao manokana amin’ny alalan’ny fampiasana cookies, dia jereo azafady ny Safidy tiana momba ny Cookie.
b. Ireo rafitra mifandray amin’ny Fiangonana. Amin’ny toe-javatra voafetra sasantsasany, dia afaka mizara lahatahiry voafetra momba ny tena manokana izahay, toy ny angon-kevitra sy ny lahatahiry ao amin’ny tranonkalan’ny FamilySearch, miaraka amin’ny fanohanan’ ireo fikambanan’ny Fiangonana mba hampivelarana sy hanatsarana ny tolotra omenay. Amin’ny tranga toy izany dia atao tsy fantatra ny lahatahirin’ny tena manokana arak’izayazo atao. Ny FamilySearch ihany koa dia afaka mampiasa loharanom-pitaovan’ny Fiangonana iraisana (ohatra, rindrambaiko) mba hitantanana ireo lahatahirin’ny tena manokana, saingy ny mpiasan’ny FamilySearch mila mahafantatra izany ihany no afaka miditra ao amin’ireo lahatahirin’ny tena manokana ao amin’ny FamilySearch mba hanatanterahana ny tanjon’ny FamilySearch araka ity filazana ity. Raha mpikamban’ny Fiangonana ianao ary mampifandray an-tsitrapo ny mombamomba ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao amin’ny kaontinao ao amin’ny FamilySearch, dia manaiky ianao fa ny FamilySearch dia afaka mizara ireo fampahalalana momba ny tena manokana izay alefanao amin’ireo rantsan’ny Fiangonana mifandraika amin’izany mba hanomezana antontan-taratasy ho an’ireo ôrdônansy sy ny asa atao any amin’ny tempoly.
d. Mpampiasa tranonkala. Mba hiarovana tsara kokoa ny tsiambaratelonao dia namboarinay ny Tranonkala mba tsy hahazoan’ireo mpampiasa alalana hizara Lahatahirin’ny velona afa-tsy amin’ireo mpampiasa tranonkala hafa ao amin’ireo faritra voafetra ao amin’ilay tranonkala, izay tsy azo idirana raha tsy amin’ny alalan’ny fanasana ihany. Ao amin’ireo faritra voafetra ireo dia azonao atao ny misafidy ny hanao ny sasany amin’ireo fampahalalana ara-tetiarana tsy voatery atao izay omenao ao amin’ny tranonkala azo jeren’ny mpampiasa hafa ny FamilySearch (ohatra, fampahalalana ampidirinao ao amin’ny hazon-tetiaran’ny fianakavianao). Raha tsy misy fangatahana na zavatra ataonao dia tsy hataon’ny FamilySearch ho hitan’olon-kafa ankoatra anao mpandefa izany ny Lahatahirin’ny velona nalefanao Tsy maintsy misafidy ny hanao izany ho hitan’olona ianao (ohatra, rehefa miditra ao amin’ny vondrona iray ianao ary mizara lahatahirin’ny tena manokana ao anatin’izany vondrona izany). Tsy tokony hataonao anefa ny manapaingotra fahatsiarovana izay misy Lahatahirin’ny velona amin’ny olona efa maty ao amin’ny hazon-tetiarana an’ny daholobe. Ny FamilySearch dia miezaka mametra ireo toe-javatra izay ahafahanao mizara Lahatahirin’ny velona mba hanarahana ireo lalàna manan-kery sy hiarovana ny tsiambaratelon’ny havanao.
Araka ny voalaza etsy ambony, ny mpampiasa tsirairay dia tompon’andraikitra amin’ny fikirakiran’izy ireo manokana ny Lahatahirin’ny velona izay alefany na zarain’izy ireo ao amin’ny Tranonkala. Rehefa misafidy ny hizara Lahatahirin’ny velona amin’ny mpampiasa hafa ianao dia manamafy fa tompon’andraikitra amin’ny lahatahiry toy izany ianao; fa ianao dia manana zo na alalana hizara lahatahiry toy izany amin’ireo mpampiasa hafa mifanaraka amin’ny Fifanarahana momba ny fandefasana votoatin-javatra sy ny Sata mifehy ny fampiasana an’ny FamilySearch; fa tsy hizara lahatahiry toy izany ianao raha tsy ho an’ny tanjon’ny fikarohana ataon’ny tena manokana sy ny tetiarana ihany; ary ny fizarana toy izany dia mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery.
Azonao amboarina ny fahafahan’ny mpampiasa hafa ao amin’ny FamilySearch na ny daholobe mahita ireo lahatahirin’ny tena manokana amin’ny fotoana rehetra amin’ny fanovana ny fikirakiranao ny tsiambaratelo na amin’ny alalan’ny fifandraisana aminay amin’ny fampiasana ny fampahalalana omena etsy ambany. Ny fahatsiarovana rehetra izay misy Lahatahirin’ny velona dia tokony hatao "tsiambaratelo."
Ny FamilySearch anefa dia afaka manao ny lahatahirin’ny tena manokana azo avy tamin’ny loharanom-pahalalana ampahibemaso sy ara-tantara ho azon’ny olona rehetra jerena raha avelan’ny lalàna manan-kery.
e. Zavatra takian’ny lalàna. Azonay hidirana ary ampahafantarina ny hafa ny lahatahirinao manokana, na ireo zavatra naelinao, na ireo resaka ifanaovanao amin’ny alalan’ny internet, na ireo lahatsoratra ataonao ho an’ny tenanao manokana, na ireo votoatin-javatra nampidirinao, na ny zavatra hafa nampidirinao ao amin’ny ankolafy iray hafa raha toa ka resy lahatra izahay fa takiana aminay amin’ny alalan’ny réquisition, na didim-pitsarana na didim-panjakana mitaky izany na takin’ny lalàna amin’ny fomba hafa ny fanaovana izany. Ankoatra izany dia mety ho ampahafantarinay ny hafa ireo lahatahirinao manokana sy ny fampahalalana hafa araka izay takian’ny lalàna, na koa hampiharana na hiarovana ireo zo araka ny lalàna; mba hisorohana ny fandikana ireo fifanarahana hafa nataonay; mba handraisana fepetra hisorohana ny mety haha-tompon’andraikitra anay amin’izay mety hitranga; mba hiarovana ny zo na ny fananana, na ny fiarovana ny loharano na ny olona iray, na ny daholobe; mba hitandrovana sy hitsinjovana ny fiarovana ny asa na ny foto-drafitrasa atolotray sy ny fahafenoany; mba hiarovana ny tenanay manokana sy ny asa atolotray eo anatrehan’ny mety hampiasana izany amin’ny fomba feno hosoka na fanararaotana na tsy ara-dalàna; mba hahafahana manadihady sy miaro tena eo anatrehan’ny fitakiana na fitoriana ataon’ny vondrona hafa; na mba hanampiana ireo sampan-draharaham-panjakana miandraikitra ny fampiharana ny lalàna.
7. Aiza no hitehirizanay ny lahatahirinao manokana?
Azonay atao ny mitahiry ireo lahatahirinao manokana any ivelan’ny firenenao, anisan’izany ny ao Etazonia, na ao amin’ireo solosaina foibe, na ao amin’ireo vahaolana fitehirizana an-drahona, na any amin’ireo toerana misy ny FamilySearch sy ireo rantsana mifandray aminy. Mba hahazoana antoka ny fiarovana araka ny tokony ho izy ny lahatahirin’ny tena manokana izay nafindra any amin’ny faritra hafa dia manao fifanarahana momba ny famindrana sy fikirakirana lahatahiry eo amin’ny FamilySearch sy ireo mpanome tolotra anay, ireo rantsana mifandray aminay, ary ny tahiry izahay izay takian’ny lalàna. Ireo fifanarahana amin’ny famindrana ireo dia ahitana ny Standard Contractual Clauses izay neken’ny Vaomiera Eorôpeana mifanaraka amin’ny lalàna ao amin’ny Vondrona Eorôpeana na ireo fepetra hafa takian’ny lalàna manan-kery (izay azonao jerena raha toa ianao ka mifandray aminay amin’ny fampiasana ny fampahalalana any amin’ny faran’ity Filazana ity ).
8. Ahoana no hiarovanay ny lahatahirin’ny tena manokana?
Mampiasa fitsipika ara-teknika sy araka ny lamin’asa izahay mba hiarovana ireo lahatahirin’ny tena manokana izay voarainay mba tsy ho very na hisy hampiasa amin’ny fomba tsy mety na hisy hanova nefa tsy nahazo alalana hanao izany ary mba hitsinjovana ny maha-tsiambaratelo izany. Mamerina mijery matetika ny fomba fiasanay mahakasika ny fiarovana izahay ary mandinika ireo teknôlôjia sy fomba fiasa tokony ho ampiasaina mahakasika ny fiarovana. Mampiasa ny teknôlôjia fanafenan-teny misy ankehitriny koa izahay mba hanafenana ny fampitana fampahalalana avy ao amin’ireo takelaka fidirana ao amin’ny tranonkalanay. Na izany aza, noho ny tsy fahafahanay miantoka tanteraka ny fahombiazan’ireo teknôlôjia fanafenan-teny ireo dia iangaviana ianao hitandrina tsara rehefa manome fampahalalana momba ny tenanao manokana amin’ny alalan’ny internet.
9. Hafiriana no hihazonanay ny lahatahirin’ny tena manokana?
Hazoninay ireo lahatahirin’ny tena manokana voangona, tafiditra ao anatin’izany ny fampahalalana voangona tamin’ny alalan’ny tranonkala sy ireo fandefasana hafa, mandritra ny fe-potoana ampy hanatanterahana ireo tanjona voalaza etsy aloha. Dia raketinay izany mandritra ny fe-potoana takin’ny lalàna. Rehefa tsy ilaina intsony ny hitehirizana ny fampahalalana dia fafanay tsy ho ao amin’ny firaketanay intsony ireo lahatahirin’ny tena manokana ao anatin’ilay fe-potoana takian’ny lalàna, ankoatra ireo fampahalalana voafetra mikasika ny tantara sy ny lahatahirin’ny tena manokana tanana ao anatin’ireo firaketana raikitra momba ny tetiarana sy ny tantara.
10. Ahoana no ahafahanao mahita sy manitsy ireo lahatahirinao manokana?
Miezaka izahay ny hihazona hatrany ny maha-marina ireo lahatahirin’ny tena manokana ary miantehitra aminao mba haka antoka fa feno sy marina ny lahatahirinao manokana sy izay Lahatahirin’ny velona ampidirinao. Azonao atao ny mangataka ny hiditra ao amin’ireo lahatahirinao manokana ka manamarina, na manitsy, na manavao izany, ary mametra ny fahafahana mahita ny lahatahirinao manokana amin’ny alalan’ny fisoratana anarana nataonao tamin’ny tranonkala iray manokana, na amin’ny alalan’ny pejy mirakitra ny mombamomba anao, na amin’ny alalan’ny kaontinao ao amin’ny FamilySearch, arak’ izay mety. Raha hijery ireo safidy ireo dia tsidiho azafady ny fikirakirana ny kaonty FamilySearch anao eto.
Miankina amin’ny faritra izay ipetrahanao, ny lalàna momba ny fiarovana ny mpanjifa na ny momba ny tsiambaratelo dia mety hanome anao zo fanampiny mikasika ny fampiasanao ny lahatahirinao manokana. Azonao atao ny mifandray aminay mba hampihatra zo fanampiny momba ny sata amin’ny alalan’ny fampiasana ny fampahalalana omena etsy ambany. Mety ho tafiditra amin’izany zo izany:
- ny zo hahazo fampahalalana, anisan’izany ny fahazoana tahadikan’ireo lahatahirin’ny tena manokana izay hazoninay momba anao;
- ny zo hiditra sy hamafa ireo lahatahirin’ny tena manokana;
- ny zo hanitsy ireo lahatahirin’ny tena manokana;
- ny zo amin’ny fahafahana mitondra na mamindra ny lahatahiry; ary
- ny zo handà ny fikirakirana manaraka na hametra ny fikirakirana.
Mety hiovaova arakaraka ny toerana ny tena fetran’ireo zo ireo. Mifandraisa aminay azafady amin’izay fanontaniana rehetra anananao na mba hampiharana ireo zo ireo.
Afaka manana zo ihany koa ianao hametraka fitarainana amin’ny fahefana mpanara-maso, miankina amin’ny toerana misy anao.
Raha misy mpampiasa hafa mikirakira na mizara ny mombamomba anao manokana dia mifandraisa amin’izany mpampiasa izany mba hangataka azy hamafa na hanitsy izay lahatahirin’ny tena manokana nalefany na nozarainy momba anao. Ny mpampiasa tsirairay dia tompon’andraikitra amin’ny fikirakiran’izy ireo manokana ny Lahatahirin’ny velona izay alefany na zarain’izy ireo ao amin’ny Tranonkala momba ny olona hafa. Azonao atao ihany koa ny miantso anay amin’ny alalan’ny fampiasana mivantana ny fampahalalana momba ny fomba ifandraisana etsy ambany ary afaka manampy amin’ny fanitsiana na famafana ny lahatahirinao manokana izahay raha angatahana.
Raha misedra olana ianao eo amin’ny fanovana na famafana na fanavaozana ny lahatahirinao manokana, dia azonao atao ny mifandray aminay araka ny torohevitra any amin’ny faran’ity Filazana ity.
11. Daty fampiharana sy fanitsiana.
Ity Filazana ity dia mihatra manomboka ny 14 Janoary 2025 ary mety hasiana fanitsiana ombieny ombieny.
12. Raha hifandray aminay.
Ireo fanontaniana mikasika ity Filazana ity sy ny fiarovana ireo lahatahirin’ny tena manokana izay kirakiranay dia azo alefa amin’ny alalan’ny tranonkalanay na ny fax na ny paositra amin’izao adiresy manaraka izao:
Tranonkala: FamilySearch.org/dataprivacy
Fax: +1-801-240-1187
Mail: FamilySearch Data Privacy Office
50 E. North Temple Street
Salt Lake City, UT 84150-0005
USA
Raha mipetraka ao amin’ny Faritra ara-toekarena eorôpeana (Espace économique européen) ianao dia azonao atao ny mifandray amin’ny solontenan’ny GDPR and. 27 an’ny FamilySearch amin’ny alalan’ny paositra na mailaka “email”:
Mail: IITR Cert GmbH
Eschenrieder Str. 62 c, D-82194
Gröbenzell, Germany
Email: privacy@FamilySearch.org