- Filazana mikasika ny maha tsiambaratelo
- Fepetra fampiasana
- Fifanarahana mikasika ny fandefasana fampahalalana avy amin’ny tena manokana napetraky ny FamilySearch
- Fifanarahana sy fepetran’ny fandefasana hafatra an-tsoratra
- Ireo torolalana sy fitsipika momba ny fandefasan-javatra
- Torolalana mikasika ny fampiasana ireo marika famantarana ny FamilySearch
- Data Processing and Transfer Terms
Torolalana mikasika ny fampiasana ireo marika famantarana ny FamilySearch
nohavaozina tamin’ny 2023-09-01
Ny marika famantarana ny FamilySearch sy ny mpiara-miasa aminy (izay amin’ny ankapobeny dia “FamilySearch”) dia izay mety ho teny, andian-teny, famantarana, tefibika, na ny fitambaran’ireo rehetra ireo izay milaza fa ny FamilySearch no loharano nipoiran’ny zavatra iray na ny asa iray. Ny marika famantarana ny FamilySearch dia afaka ny ho endrika miavaka isehoan’ny zavatra iray ihany koa, ao anatin’izany ny habeny, ny endriny, ny lokony, ny toetoetrany, ny fonosana, ny feony, ary ny sary aminy.
Ampahany amin’ny lisitr’ireo marika famantarana sy famantarana ny zavatra vokarin’ny FamilySearch ity manaraka ity:
- FamilySearch
- FamilySearch GEDCOM
- Index Généalogique International
- RootsTech
Ireo dia marika famantarana sy famantarana ny zavatra vokarin’ny FamilySearch ary misoratra ara-dalàna any Etazonia sy any amin’ireo firenena hafa.
Torolalana ankapobeny
Ireo marika famantarana dia, ary tokony ho ampiasaina toy ny, mpamari-toetra mamariparitra vokatra na asa iray manokana. Araka izany, ireo marika famantarana dia tsy tokony havadika ho matoanteny, na atao manondro zavatra maro, na atao mpamaritra milaza tompo. Tokony hisy teny iombonana ampidirina miaraka amin’ny marika famantarana tsirairay ihany koa amin’ny fotoana voalohany hipoiran’izany ao anatina asa iray (ohatra hoe tranonkalan’ny FamilySearch). Aorian’izay dia tokony hiseho matetika miaraka amin’ilay marika famantarana ilay teny iombonana.
Rehefa mampiasa ireo marika famantarana ny FamilySearch amin’ireo zavatra avoaka dia aza mampiasa ireo marika ™, ℠, na ®. Mampiasà kosa fampahafantarana ny tompon’ny marika famantarana izay mifanaraka amin’izany toy ny hoe “Ny FamilySearch dia marika famantarana an’ny FamilySearch/Intellectual Reserve, Inc., ary azo soratana ara-dalàna ao Etazonia sy any amin’ireo firenena hafa.”
Tsy azonao atao ny mampiasa ireo marika famantarana na famantarana ny asa vokarin’ny FamilySearch amin’ny fomba izay milaza an-kolaka fa ankatoavin’ny FamilySearch na mifandray amin’ny FamilySearch ianao na ny zavatra vokarinao. Tsy azo ampiasaina amin’ny anaran’ny fikambanana, na ny vokatra, na ny hetsika iray noho izany ireo marika famantarana ny FamilySearch. Ny fampiasana toy izany dia mety hampisafotofoto ny sain’ny hafa satria mahatonga fahadisoan-kevitra fa hoe manohana na mankatò izany ny FamilySearch. Ohatra, ity manaraka ity dia fampiasana amin’ny fomba tsy araka ny tokony ho izy ny FamilySearch raha tsy hoe nanome anao fanomezan-dalana an-tsoratra mazava tsara angaha ny FamilySearch:
- “Nankatoavin’ny FamilySearch” eo amina vokatra na asa natao iray mba hilazana ny fankatoavan’ny FamilySearch ny vokatra na ny asa iray.
Fampahalalana fanampiny
Mazava ho azy fa ireo torolalana ireo dia tsy ary haminavina ireo endri-pampiasana ara-drariny mety hisy rehetra. Raha te hahazo torolalana manokana mikasika ny fomba fampiasana iray izay aroso ianao dia iangaviana anao mba hifandray amin’ny Intellectual Property Office (Birao misahana ny zon’ny mpamorona) amin’ny alalan’ny:
Laharan-telefaonina 1-801-240-3959 na 1-800-453-3860, poste 2-3959
Email: cor-intellectualproperty@FamilySearch.org
Nohavaozina tamin’ny 2023-09-01