Fepetra momba ny hafatra an-tsoratra

Nohavaozina tamin'ny 31 Aogositra 2021

Famaritana ny rindrambaiko

Ny FamilySearch.org dia manolotra tolotra hafatra an-tsoratra mba hahafahanao mahazo fampahalalana momba ny razambenao, miampy vaovao sy torohevitra mahasoa. Mety hahazo torohevitra momba ny rakitsoratra, zavatra hita momba ny razambenao rehefa misy izany, na vaovao mahasoa toy ny rakitsoratra vaovao na torohevitra momba ny tetiarana ianao. Rehefa misafidy ny hisoratra anarana amin'izany ianao, dia hahazo hafatra fanamafisana avy amin'ny FamilySearch.org. Matetika na mahalana ny hafatra ho voarainao. Ny fisoratanao anarana dia midika fanamarina avy aminao fa mihoatra ny 13 taona ianao.

Sarany

Tsy mitaky sarany ny FamilySearch.org amin’ny fisoratanao anarana hahazo fampahafantarana amin'ny alalan’ny hafatra an-tsoratra. Na izany aza dia mety hampandoa saran-kafatra sy aterineto anao ny orinasa mpamatsy tolotra fifandraisan-davitra ampiasainao. Mety hisy saran-kafatra sy aterineto hampandoavina anao amin'ny hafatra rehetra alefanay aminao sy alefanao aminay. Raha manana fanontaniana momba ny tolotra hafatra an-tsoratra na aterineto ampiasainao ianao, dia tsara kokoa raha mifandray amin'ny mpamatsy tolotra fifandraisan-davitra ampiasainao.

Fampahalalana momba ny fialana amin’ny tolotra

Azonao atao ny miala amin'io tolotra hafatra an-tsoratra io amin'ny fotoana rehetra, amin'ny alalan'ny famaliana hoe STOP. Araka izany fangatahanao izany, dia tsy hahazo hafatra an-tsoratra avy amin'ny FamilySearch.org intsony ianao.

Mombamomba ny fanampiana

Raha mila fanazavana fanampiny dia alefaso amin'ny hafatra an-tsoratra fotsiny ny hoe HELP, dia hahazo valiny misy ny fomba hifandraisana amin'ny sampan-draharahan’ny fanampiana ianao.

Mpandraharaha amin'ny finday

Tsy ny mpandraharaha amin'ny finday rehetra no misahana ny MMS. Mety hahazo hafatra ianao hoe nolavina ny fidiranao na tsy misy ny tolotra tadiavinao. Izany matetika dia vokatrin’ny firafitra manakana maila-pako (na ‘’spam’’) amin'ny tolotra finday ampiasainao. Mifandraisa amin'ny mpamatsy fifandraisan-davitra ampiasainao raha misy ny tsy fetezana toy izany. Marihina fa tsy tompon'andraikitra amin'ny hafatra an-tsoratra tara na tsy lasa ny mpandraharaha amin'ny finday. Ny mpandraharaha sasany dia mety handefa hafatra amin'ny alalan'ny fampiasana kaody fohy (na ‘’short code’’) na laharan-telefaonina manokana natao ho an'ny fandefasan-kafatra roa lalana tena haingam-pandeha (na ‘’two-way messaging’’).

Fiarovana ny tsiambaratelo

Raha manana fanontaniana momba ny fiarovana ny tsiambaratelo ianao, dia tsidiho ny https://www.familysearch.org/legal/privacy. Ny angon-drakitra (na‘’data’’) azo amin'ny alalan'ilay fampiasana kaody fohy (na ‘’short code’’) dia tsy hozaraina amin'olon-kafa noho ny antony na tanjona ara-barotra.

Sampan-draharahan'ny fanampiana

Raha manana fanontaniana momba ny tolotra ianao, dia tsidiho ny: https://www.familysearch.org/help/helpcenter/.