- Filazana mikasika ny maha tsiambaratelo
- Fepetra fampiasana
- Fifanarahana mikasika ny fandefasana fampahalalana avy amin’ny tena manokana napetraky ny FamilySearch
- Fifanarahana sy fepetran’ny fandefasana hafatra an-tsoratra
- Ireo torolalana sy fitsipika momba ny fandefasan-javatra
- Torolalana mikasika ny fampiasana ireo marika famantarana ny FamilySearch
- Data Processing and Transfer Terms
Torolalana sy fitsipika momba ny fampidirana zavatra
Nohavaozina tamin’ny 2017-03-28
Fitsipika ho an’ ireo sary, sy tahirin-kevitra ary raki-peo
Ireo sary sy tahirin-kevitra ary raki-peo ao amin’ny FamilySearch dia tokony hahafahan’ny olona hizara ny mombamomba ireo razambe izay manampy ny fianakaviana hifankafantatra sy hifankatia. Ireto fitsipika ankapobeny manaraka ireto no tokony hampiharina:
Mendrika. Tokony hanohana ireo fenitry ny fahamaotinana sy ny hatsaran-toetra mendrika ireo votoatin-javatra.
Mifanaraka amin’izay ilaina. Tokony hanohana tanjon’ny tantaram-pianakaviana iray ilay votoatin-javatra.
Mampitodika fo. Tokony hanohana ireo olona hahafantatra sy hitia ireo razambeny ilay votoatin-javatra.
Tsy hitadiavam-bola. Tsy tokony hanao dokam-barotra na hampahafantatra zavatra novokarina ilay votoatin-javatra. Tsy tokony hanitsakitsaka ny zon’ny mpamorona izany.
Torolalana mikasika ny fitsipika fitsirihana ny sary sy ny tahirin-kevitra ary ny raki-peo
Ilay votoatin-javatra dia TSY TOKONY ahitana sary, na fanehoana an-tsary, na famariparitana ny
1. Fiboridanana na ny tsy fahamaotinana. Tokony hihidy tsara araka ny tokony ho izy ireo fitafiana aseho eo amin’ireo sary.
2. Votoatin-javatra masina na zavatra hafa mahakasika ny fivavahana.
a. Fitafiana masina
b. Fombafomba masina
c. Tsodranon’ny Patriarika
3. Lehilahy manao fitafim-behivavy na vehivavy manao fitafin-dehilahy.
4. Rohy mankany amin’ireo tranonkala any ivelany (izany hoe tsy asiana rohy).
5. Izay mety ho karazan-teny vetaveta na tsy mendrika.
6. Sarin’olona tsy misy loha na tsy hita ny tavany.
7. Sarin’olona mifanoroka eo amin’ny molotra: olona mifanoroka eo amin’ny molotra, na vao handeha hifanoroka eo amin’ny molotra, na lahy na vavy, na firy taona na firy taona, na koa na inona na inona rohim-pihavanany.
8. Fankatoavana vokatra na tranonkala. Hodinihina tsirairay ireo sary famantarana sy soratra amin’ny fitafiana na amin’ny takela-by, na fiarabe, sns.
9. Hetsika, na vokatra, na asa atao tsy ara-dalàna. Tafiditra ao anatin’izany ny zava-mahadomelina.
10. Zava-maharikoriko, fihetsika mamohehatra na fiteny maloto.
11. Fanehoana fankahalana na fanavakavahana.
12. Herisetra sy fampijaliana.
a. Hodinihina tsirairay ireo sary maneho ady, fihazana ary fanjonoana.
b. Hodinihina tsirairay ireo sary ahitana tevika maro sy tombokavatsa.
13. Ny fanindraindrana ny fanavakavaham-bolon-koditra.
14. Ny fampahafantarana zavatra novokarina na hetsika na asa fanasoavana atao amin’izao fotoana izao.
15. Votoatin-javatra natao hitadiavam-bola. Ny hany tranga maningana dia hoe raha:
a. Manana zo ara-dalàna hampiasa ireo votoatin-javatra ianao.
b. Lany andro ilay fameran-jo.
Tsy azo atao ny manova ireo sary sy tahirin-kevitra ary raki-peo mba hahatonga izany ho tsy marina, na sandoka, na mamitaka. Ankoatra izay koa, ireo sarina vondron’olona rehetra izay ahitana na dia olona iray aza mandika ny iray amin’ireo torolalana ato amin’ity tahirin-kevitra ity dia tsy nahazoana fankatoavana.
Mety ho voarara ireo sary, vakoka, na fichiers vao nampidirina na nampidirina teo aloha, na noforonina tao amin’ny FamilySearch izay mandika ireo fitsipika mifehy ny fandefasana.