Amin’ny maha-mpitarika ao amin’ny Fiangonana anao dia manampy ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ianao mba hahita fiadanana sy tanjaka ao amin’i Jesoa Kristy rehefa mitsaoka any amin’ny tempoly sy manompo ireo razambeny izy ireo

(Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany32.1)

Atombohy mandrakariva amin’ny Mpamonjy

Rehefa manasa ireo mpikambana hitsaoka ao amin’ny tranon’ny Tompo sy hanatanteraka ôrdônansy ho an’ireo razambe ianao dia atombohy amin’ny Mpamonjy izany. Zarao ny fomba hamatotra an’ireo fanekempihavanan’ny tempoly antsika amin’ny Mpamonjy, sy hanampian’izany antsika hahatsapa fitarihana sy fankaherezana, ary hanamafy orina antsika amin’ny fiarovany sy ny heriny. Hamantatra misimisy kokoa

Ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ety an-tany, dia ho ao aminy.

Efesiana 1:10

Atombohy amin’ny Mpamonjy miaraka amin’ny Ôrdônansy Vonona

Ampio ny mpikambana hampiasa ny Ôrdônansy Vonona—ny fomba mora indrindra ho an’ny mpikambana rehetra mba hanangonana ny hafa ho ao amin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fitadiavana amim-pahombiazana ny anaran’ireo izay mila ireo ôrdônansin’ny famonjena any amin’ny tempoly. Hamantatra misimisy kokoa

Atombohy amin’ny Mpamonjy miaraka amin’ny Ôrdônansy Vonona

Atombohy amin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fampidirana ny zavatra fantatrao

Amporisiho ny mpikambana rehetra mba hampiditra fotsiny ny zavatra fantatr’izy ireo ao amin’ny hazon-tetiaran’izy ireo—anarana, sary, zava-nitranga teo amin’ny fiainana, tantara, ary fahatsiarovana hafa momba ireo olon-tiana izay azo angonina ao amin’ny Mpamonjy.

Ireo mpitarika izay manampy ny mpikambana vaovao sy zatovo hiomana amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana azy ireo voalohany dia afaka mampiasaFanampiana amin’ny anaram-pianakaviana.

Hamantatra misimisy kokoa

Filoha Russell M. Nelson
Ny tempoly dia mitana anjara toerana lehibe ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny fahafenoany. Ireo ôrdônansin’ny tempoly dia mameno hery sy tanjaka ny fiainantsika izay tsy azo amin’ny fomba hafa.

Filoha Russell M. Nelson, Ny COVID-19 sy ny tempoly

1 amin’ny 3