Amin’ny maha-mpitarika ao amin’ny Fiangonana anao dia manampy ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ianao mba hahita fiadanana sy tanjaka ao amin’i Jesoa Kristy rehefa mitsaoka any amin’ny tempoly sy manompo ireo razambeny izy ireo

(Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany32.1)

Mifantoka voalohany hatrany amin’ny Mpamonjy

Rehefa manasa ireo mpikambana hitsaoka ao amin’ny tranon’ny Tompo sy hanatanteraka ôrdônansy ho an’ireo razambe ianao dia atombohy amin’ny Mpamonjy izany. Zarao ny fomba hamatotra an’ireo fanekempihavanan’ny tempoly antsika amin’ny Mpamonjy, sy hanampian’izany antsika hahatsapa fitarihana sy fankaherezana, ary hanamafy orina antsika amin’ny fiarovany sy ny heriny. Hamantatra misimisy kokoa

Ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ety an-tany, dia ho ao aminy.

Efesiana 1:10

Hampiasa Ôrdônansy Vonona

Ampio ny mpikambana hampiasa ny Ôrdônansy Vonona—ny fomba mora indrindra ho an’ny mpikambana rehetra mba hanangonana ny hafa ho ao amin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fitadiavana amim-pahombiazana ny anaran’ireo izay mila ireo ôrdônansin’ny famonjena any amin’ny tempoly. Hamantatra misimisy kokoa

Ampidiro ny zavatra fantatrao

Amporisiho ny mpikambana rehetra mba hampiditra fotsiny ny zavatra fantatr’izy ireo ao amin’ny hazon-tetiaran’izy ireo—anarana, sary, zava-nitranga teo amin’ny fiainana, tantara, ary fahatsiarovana hafa momba ireo olon-tiana izay azo angonina ao amin’ny Mpamonjy.

Ireo mpitarika izay manampy ny mpikambana vaovao sy zatovo hiomana amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana azy ireo voalohany dia afaka mampiasaFanampiana amin’ny anaram-pianakaviana.

Loharanom-pitaovana enti-manohana ny mpitarika

Ampio mba hanakaiky kokoa ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny tantaram-pianakaviana ireo izay anaovanao asa fanompoana.

Manohana an’ireo mpikambana vaovao

Jereo ny fomba hanamafisan’ny fitsaohana any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ny finoana ary hankaherezany ny maha-mpianatra mandritra ny androm-piainana.

Jereo ny fomba

Manohana an’ireo ankizy vao feno 12 taona

Trandraho ireo fomba hanampiana ny tanora hiomana amin’ny traikefany voalohany ao amin’ny tempoly.

Hamantatra misimisy kokoa

Hamantatra misimisy kokoa

Filoha Dallin H. Oaks
“Mifototra amin’ny fianakaviana ny fotopampianaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Zava-dehibe eo amin’ny fotopampianarantsika momba ny fianakaviana ny Tempoly. Manome fahafahana antsika hiverina eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra amin’ny maha fianakaviana mandrakizay antsika ireo ôrdônansa raisina any”.

Filoha Dallin H. Oaks, Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy izay mifototra amin’ny fianakaviana

1 amin’ny 3