Manomana ny ankizy sy ny zatovo ho amin’ny traikefa mahafinaritra any amin’ny tempoly

“Rehefa nandinika an’ireo zatovo nanao tantaram-pianakaviana izahay dia nahita azy ireo niaina fifaliana saika teo no ho eo sy fitomboan’ny fahatokisan-tena. … Ny tantaram-pianakaviana dia manolotra fanasitranana sy fanomezan-toky fa sarobidy eo imason’ny Raintsika any An-danitra ny olona tsirairay avy.”—Filoha Dallin H. Oaks, RootsTech na Andro fitadiavana sy fizarana zavatra momba ny fianakaviana, ho an’ny taona 2018

Manatanjaka fototra miorina ao amin’i Kristy

Ahoana no ahafahan’ireo mpitarika sy ny ray aman-dreny manampy ny ankizy feno 12 taona hiomana ho amin’ny ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly

Afaka mampianatra tsy tapaka ireo fitsipika hita ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy izay mihatra amin’ny fiomanana amin’ny tempoly ny ray aman-dreny sy ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga (Tovana A; Tovana B).

Manampy ny zanany ny ray aman-dreny amin’ny fampiasana ny Ôrdônansy Vonona mba handray anarana fianakaviana sy amin’ny fampidirana izay zavatra fantany ao amin’ny FamilySearch.org.

Mandray anjara amin’ny fivoriana fiomanana ho any amin’ny tempoly sy ny fisoronana miaraka amin’ireo ankizy ny ray aman-dreny sy ny mpitarika.

Fanampiana amin’ny anaram-pianakaviana ho an’ny zatovo

Jereo ny fomba haingana hanampiana ny zatovo hitondra ny karatry ny anaram-pianakaviany manokana any amin’ny tempoly sady misoroka ireo fahasarotana momba ny anarana fampiasa sy ny tenimiafina.

Atomboka