Samy manana sarim-pianakaviana sarobidy hozaraina ny tsirairay.

Na izany aza dia tena mora ny manitrika fotsiny sy manadino ireo sarim-pianakaviana sy tantaram-pianakaviana vaovao sy taloha. Tehirizo izy ireny ankehitriny mba hahafahana mankafy azy ireny mandritra ireo taranaka ho avy.

Mamoròna kaonty maimaim-poana hanombohana azy

Inona no vaovao ao amn’ny Fahatsiarovana ao amin’ny FamilySearch?

Arindra arakaraka ny lohahevitra.

Arindrao sy zarao ireo sarim-pianakaviana vaovao sy taloha izay maminao ary ireo fahatsiarovana misy Lohahevitra Famantarana. Izy ireo koa dia hanampy anao hahita sary mahaliana izay nampidirin’olon-kafa ao amin’ireo lohahevitra tianao.

Hamantatra misimisy kokoa

Mizarà alibaoma iray.

Mampidira fahatsiarovana ho ao amin’ny alibaoma iray, ary safidio ny firindrana faran’izay tsara. Aorian’izany dia zarao amin’ny hafa ao amin’ny ankamaroan’ny tambazotra ifaneraserana lehibe na amin’ny alalan’ny rohy nozaraina ilay alibaoma.

Tohizo ny fisitrahana ireo endri-javatra tena fanta-daza ato aminay.

Asio fanamariham-pejy ireo fahatsiarovana manan-danja.

Mampidira fahatsiarovana na alibaoma nozaraina ao amin’ny FamilySearch ho ao amin’ny lisitry ny Fanamariham-pejinao, izay firaketana iray ao amin’ny Toeram-pampisehoana ireo Fahatsiarovana. Fomba tsotra hahitana indray amin’ny fomba tena mora ireo fahatsiarovana manan-danja momba ny fianakaviana izay nozarain’ny hafa izany.

Hamantatra misimisy kokoa

Avelao ho hita ireo fahatsiarovanao.

Mampidira tenifototra famantarana olona eo amin’ny razambe iray ao anatin’ny sary iray na tahirim-pahalalana iray,na tantara iray, na raki-peo iray mba hizarana eo no ho eo izany fahatsiarovana izany amin’ireo havana hafa ao amin’ilay pejy misy ny mombamomba ny tenan’iilay razambe iray ao amin’ny Rafi-tetiarana.

Hamantatra misimisy kokoa

Ankamamio ao anatin’ny toerana iray ireo fahatsariovana momba fianakavianao.

Ny Toeram-pampisehoana ireo Fahatsiarovana no toerana ahafahana mitahiry tsara ireo sary manan-danja momba ny fianakavianao, ireo tantara, ireo tahirim-pahalalana sy ireo raki-peo ary avy eo ahafahana mizara izany amin’ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana.

Hamantatra misimisy kokoa

Zarao araka ny tena fitrangany ireo tantaram-pianakaviana

Tsy fantatrao mihitsy hoe rahoviana no hiseho ny tantaram-pianakaviana mahazatra na mampihetsi-po. Mivonòna amin’ilay application FamilySearch Memories natao ho an’ny finday. Fomba tsotra iray izany hizarana ireo sarim-pianakaviana vaovao na taloha sy ireo tahirim-pahalalana nolovaina ary ireo tantara amin’ny endrika raki-peo.

Tehirizo ireo fahatsiarovana manan-danja dieny mbola tsy tara. Ho feno fankasitrahana ny fianakavianao hatrany amin’ireo taranaka mifandimby.

Tehirizo sy zarao ireo fahatsiarovana sarobidy momba ny fianakavianao. Hamorona kaonty.

na hiditra raha toa ka efa manana kaonty ianao.