Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo maneran-tany – FamilySearch
Nohavaozina ny 24 martsa 2026
Ny FamilySearch International, izay fikambanana iray tsy mitady tombontsoa ara-bola any Utah ary manana ny biraony lehibe any Salt Lake City, Etazonia (“FamilySearch”), dia natokana ho an'ny tantaram-pianakaviana sy ny fikarohana ara-tetiarana. Rehefa milaza hoe «izahay», «anay» na «-nay» izahay, dia ny FamilySearch no tianay holazaina. Ato amin'ity Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo ity, izahay dia manome anao fampahafantarana momba ny fomba ikirakiranay ny angon-drakitra momba anao manokana.
Ny famoronana kaonty an-tserasera ao amin'ny tranonkalanay sy ny fampiharanay (“Tranonkala”) na, raha tsy izany, ny fandrotsahana angon-drakitra any amin'ny FamilySearch, dia ahafahanao miditra amin'ireo taoraharaha sy Tranonkala atolotray, anisan'izany ny fananganana tetiarana; ny fifandraisana amin'ny olona ao amin'ny fianakaviana; ary ny fidirana sy fizarana sarim-pianakaviana, rakitsoratra nomerika, tantara am-bava voarakitra, ary zavatra fahatsiarovana manan-tantara hafa narotsakao na ny havanao, na azo avy amina loharano ho an'ny besinimaro sy ara-tantara manerantany.
Ny FamilySearch dia manaja ny fiainana manokan'ny olona tsirairay izay mampiasa ny Tranonkalanay. Ao anatin'ity Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo ity, dia faritanay ny angon-drakitra momba ny tena manokana angoninay, ny fototra ijoroanay amin'ny fikirakirana ny angon-drakitra momba ny tena manokana, ary ny fitsipika mifehy ny fikirakirana angon-drakitra ao aminay, mifanaraka amin'ny zonao sy ny lalàna manan-kery. Amporisihinay hamaky tsara ity Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo ity ianao, alohan'ny handrotsahanao angon-drakitra momba ny tena manokana atỳ aminay. Koa satria miankina amin'ny fikirakirana ny angon-drakitra momba anao manokana, araka ny Fepetra Fampiasana ny FamilySearch sy ny Fifanarahana momba ny Fandrotsahana Votoaty, ny famatsiana ny Tranonkalanay, dia vakio tsara ihany koa ireo tahirin-kevitra ireo. Mba hamoronana kaonty, dia tsy maintsy manaiky ireo fepetra ireo sy ity Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo ity ianao. Raha misafidy ny tsy hanaiky ianao, dia tsy ho afaka hamorona kaonty na hampiasa ny fiasa rehetra ao amin'ny Tranonkala.
1. Iza no misahana ny angon-drakitra momba anao manokana?
Rehefa mizara ny angon-drakitra momba anao manokana ao amin'ny Tranonkalanay ianao na mandray anjara amina fifandraisana na fifaneraserana aminay, dia mikirakira ny angon-drakitra momba anao manokana amin'ny maha-mpanara-maso ny angon-drakitra anay.
Ny FamilySearch dia mifandray amin'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Andro Farany (ny «Fiangonana») ary tohanan'izy io amin'ny maha-taoraharaha ho an'ny besinimaro azy. Ny famoronana kaonty an-tserasera ao amin'ny Tranonkalanay dia tsy midika hoe manohana na mifandray amin'ny Fiangonana ianao.
2. Inona no angon-drakitra momba ny tena manokana angoninay?
Izahay dia manangona angon-drakitra momba ny tena manokana izay (a) arotsakao; (b) arotsaky ny mpampiasa hafa; (c) raketinay; ary (d) azonay avy amin'olon-kafa.
a. Angon-drakitra arotsakao. Mandrotsaka angon-drakitra momba anao manokana atỳ aminay ianao, ary mety hanangona angon-drakitra momba anao manokana arotsakao izahay, amin'ny fotoana amoronanao kaonty ao amin'ny Tranonkalanay, angatahanao fitaovana FamilySearch, angatahanao fahafaha-miditra amin'ny taoraharaha FamilySearch na ny Tranonkala, androtsahanao ny angon-drakitra momba anao manokana ao amin'ny fitaovan'ny FamilySearch na ny Tranonkala (ohatra: manangana ny tetiaran'ny fianakavianao), na andraisanao anjara amina fifandraisana na fifaneraserana hafa amin'ny FamilySearch. Rehefa mifandray amin'ny FamilySearch ianao ka mamorona kaonty, dia ny anaranao, ny daty nahaterahanao, ny laharan'ny findainao, ny adiresy mailakao, ny toerana misy anao (ohatra: firenena), ary ny maha-lahy na maha-vavy anao no kirakirainay amin'ny ankapobeny. Mety handrotsaka angon-drakitra momba ny kaonty sy fisoratana anarana hokirakiraina ianao, toy ny anarana famantarana anao, ny anarana isehoanao, ny tenimiafinao, ny adiresy mailakao, ary ny fikirana sy ny safidinao manokana.
Rehefa mampiasa ny taoraharahanay ianao, dia azonao atao ihany koa ny misafidy ny handrotsaka fampahalalana manokana fanampiny mba handraisana anjara, araka ny safidinao manokana, amin'ny hetsika ara-tetiaran'ny FamilySearch, ao anatin'izany ny fandrotsahana angon-drakitra ara-tetiarana momba ny tena manokana (ohatra: soritsori-piainana, zava-nitranga teo amin'ny fiainana, anarana hafa, fifandraisan'ny fianakaviana, zava-misy teo amin'ny fiainana, fahatsiarovana, fampahalalana momba ny tantaram-piainana), sary, fahatsiarovana manan-tantara, rakitsoratra, ary fampahalalana ara-tantara momba anao sy ny havanao. Ianao no misafidy ny angon-drakitra manokana harotsaka, ary, amin'ny tranga sasany, dia mety hisafidy ny handrotsaka fampahalalana izay mety hoheverina ho saro-pady ianao, toy ny fiaviana ara-poko, firazanana, fiaviana ara-pirenena, fiaviana ara-pivavahana, zom-pirenena, fampahalalana ara-pahasalamana, na sata momba ny fifindramonina. Na izany aza, tsy tokony handrotsaka na hizara angon-drakitra saro-pady momba ny olona hafa ankoatra ny tenanao ianao raha mbola velona izany olona izany.
b. Angon-drakitra arotsaky ny mpampiasa hafa. Araka ny hazavainay amin'ny antsipiriany bebe kokoa eo ambanin'ny hoe «Amin'iza no izaranay angon-drakitra momba ny tena manokana», ny sehatra FamilySearch dia mamela ny mpampiasa hafa ao amin'ny Tranonkala, toy ny havanao, handrotsaka ny angon-drakitra momba anao manokana izay tsy saro-pady, ho ampahany amin'ny tetiaran'ny fianakaviana na ao anatina fitaovana sy fiasa voafetra hafa. Ny fahafahana mizara fampahalalana fototra momba ny olona ao amin'ny fianakaviana dia tena ilaina amin'ny fanaovana fikarohana ara-tetiarana sy amin'ny fampifandraisana ireo mpikaroka amin'ny tetiaran'izy ireo. Rehefa mandrotsaka angon-drakitra momba ny tena manokana an'olona mbola velona (“Angon-drakitra momban'olona velona”) ao amin'ny tetiarana iray ny mpampiasa iray, dia io mpampiasa io irery ihany no mahita izany Angon-drakitra momban'olona velona izany amin'ny voalohany. Amin'ny tranga voafetra sasany, mety ho azon'ilay mpampiasa atao ihany koa ny mizara izany angon-drakitra izany ao anatina faritra voafetra ao amin'ilay Tranonkala amina mpampiasa voafetra ao anatin'ny sehatry ny vondrona mihidy, izay tsy azo idirana raha tsy misy fanasana. Ny mpampiasa tsirairay dia tompon'andraikitra amin'ny fikirakirany manokana ny Angon-drakitra momban'olona velona rehetra arotsany na zarainy ao amin'ny Tranonkala, ary tsy hanao izany afa-tsy amina tanjona manokana mba hiraketana sy hikarohana ny tantaram-pianakaviany ihany, araka ny takin'ny Fifanarahana momba ny Fandrotsahana Votoaty sy ny Fepetra Fampiasana.
c. Angon-drakitra raketinay sy cookies. Rehefa mitsidika ny loharanom-pitaovanay ianao, ny mpitati-tambajotranay (amin'ny alalan'ny fampiasana rakitra taham-pandraketana na rafitra fanivanana) dia mety hanangona ny fampahalalana alefan'ny fitetezan-tranonkala ampiasainao isaky ny mitsidika ny Tranonkalanay ianao. Io fampahalalana io dia mety hahitana, saingy tsy voafetra amina, adiresy Internet Protocol-nao (adiresy IP), ny karazana fitetezan-tranonkala, ny rafitra iasana, ny safidy amin'ny fiteny, ny pejin-tranonkala nojerenao talohan'ny nidiranao ny tranonkalanay ka nandefa anao tao, ny daty sy oran'ny fangatahana ataon'ny mpitsidika tsirairay, ny fampahalalana notadiavinao tao amin'ny loharanom-pitaovanay, ary ny fampahalalana hafa voaangona tamin'ny alalana cookies na teknolojia mitovitovy amin'izany. Mba hahafantarana misimisy kokoa, dia jereo ny fitaovana momba ny Safidy amin'ny Cookie («Safidy amin'ny Cookie») izay miseho ao amin'ny tsirairay amin'ireo fampiharana am-pinday anananay sy eo amin'ny farany ambany amin'ny Tranonkalanay. Ny Safidy amin'ny Cookie dia ahafahanao misafidy ny karazana cookie ampiasainay. Raha tsy manaiky cookies ianao, dia mety tsy ho afaka hampiasa ny fizaràna na fiasa sasany ao amin'ny tranokalanay na ny fampiharanay, araka ny voalaza ao amin'ny Safidy amin'ny Cookie. Fantaro ihany koa fa tsy afaka manakana ny fampiasana cookies sasany izay ilaina amin’ny fampandehanana fototra ny Tranonkala ianao. Amin'ny alalan'ny fampiasanao ny Tranonkalanay, ianao dia manaiky ny fampiasana cookies araka ny voalaza ao amin'ny Safidy amin'ny Cookie. Azonao atao ny misafidy ny tsy hampiasa cookie sasany ampiasaina ao amin'ny Tranonkalanay amin'ny alalan'ny fanindriana ny rohin'ny Safidy amin'ny Cookie eo amin'ny farany ambany amin'ity pejy ity.
d. Angon-drakitra avy amin'olon-kafa . Raha mpikamban'ny Fiangonana ianao, ka mangataka ny hampifandraisana ny kaonty FamilySearch-nao amin'ny kaontinao an-tserasera ao amin'ny Fiangonana, dia mety handray ny angon-drakitra momba anao manokana (ohatra: angon-drakitra momba ny maha-mpikambana ao amin'ny Fiangonana sy angon-drakitra momba ny kaonty ao amin'ny Fiangonana) avy amina sampan'ny Fiangonana mifandraika amin'izany izahay.
Araka izay avelan'ny lalàna manan-kery, dia mety handray angon-drakitra momba anao manokana mifandraika amin'ny tetiarana sy ny tantara avy amina arisiva na loharano hafa azon'ny besinimaro jerena ihany koa izahay.
3. Ahoana no ikirakiranay ny angon-drakitra momba anao manokana?
Amin'ny ankapobeny, izahay dia mikirakira ny angon-drakitra momba anao manokana amin'ny alalan'ny fampiasana fitaovana mandeha ho azy (fikirakirana mandeha ho azy), na dia mety hikirakira ny angon-drakitra momba anao manokana tsy amin'ny alalan'ny fampiasana fitaovana mandeha ho azy aza izahay indraindray (fikirakirana ataon'olona), na amin'ny alalan'ny fampifangaroana fitaovana fikirakirana mandeha ho azy sy ataon'olona (fikirakirana mifangaro).
Ny asa fikirakirana ataonay amin'ny angon-drakitra momba anao manokana dia mety hahitana, saingy tsy voafetra amin'ireto manaraka ireto: fanangonana, firaketana, fandaminana, famolavolana, fitehirizana, fanamboarana na fanovàna, famakafakana, famerenana, fijerena, fampiasana, famindrana (fampitana, fidirana, fanambarana), ao anatin'izany ny famindrana miampita sisin-tany araka ny hazavaina ato amin'ity Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo ity, fampifanarahana na fanambàrana, famoronana angon-drakitra avy amin'ny angon-drakitra, famerana, famafana, na famotehana ny angon-drakitra momba anao manokana.
Tsy mandray fanapahan-kevitra momba anao izay mifototra amin'ny fikirakirana mandeha ho azy fotsiny izahay, anisan'izany ny famoronana mombamomba, izay mety hisy fiantraikany lehibe aminao. Raha miova ny fampiasanay teknolojia mandeha ho azy any aoriana any, dia hohavaozinay ity Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo ity ary hanome fanazavana mazava mifanaraka amin'izany izahay.
4. Inona no antony ikirakiranay ny angon-drakitra momba ny tena manokana?
Izahay dia mikirakira ny angon-drakitra momba anao manokana mifandraika amin'ny Tranonkala sy ny taoraharaha atolotry ny FamilySearch amin'ireto tanjona manaraka ireto:
- Fikarohana momba ny tetiarana/tantaram-pianakaviana: Mba hanomezana fanofanana, loharanom-pitaovana ary fitaovana hanampiana anao sy ny havanao hitady ny razambenareo sy ny tetiaranareo, hanorina ny hazon-tetiaranao, hanao fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana ary hifandray amin'ny olona ao amin'ny fianakavianao.
- Fiarovana rakitsoratra ara-tantara: Mba hanovana ho nomerika sy hiraketana antontan-taratasy ara-tantara, sary, vakoka, ary rakitsora-panjakana ho an'ny taranaka any aoriana.
- Hiraketana tantaram-pianakaviana: Mba hiraketana tantaram-pianakaviana manan-danja, fampahalalana ara-tantara sy ara-kolontsaina izay mety ho very raha tsy izany (ohatra: tantara am-bava).
- Fifandraisana sy fiaraha-miasa: Mba hahafahanao mifandray sy miara-miasa amin'ny mpampiasa hafa rehefa manao fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana, toy ny ao amin'ny fiasa fifanakalozan-kevitray.
- Fitantanana ny tranonkala:
- Mba hanamarinana ny fahafahanao miditra amin'ny kaonty FamilySearch-nao sy ireo fampiharana sy taoraharaha hafa ao amin'ny FamilySearch.
- Mba hifandraisana aminao, hamaliana ny fanontanianao ary hanomezana anao fampahalalana momba ny olana ara-teknika, ara-piarovana na olana ara-pampandehanana hafa.
- Mba hananganana sy hanatsarana ny Tranonkalanay, ny fitaovanay ary ny taoraharaha ataonay, anisan'izany ny amin'ny alalan'ny fanarahana ny antontan'isa momba ny hetsika ataonao ao amin'ny Tranonkalan'ny FamilySearch.
- Mba hampahafantarana anao ny fampiharana sy taoraharaha FamilySearch vaovao, hanasana anao handray anjara, ary hampahafantatra anao ny mety ho havana vaovao ao amin'ny hazon-tetiaranao.
- Mba hisorohana ny fahadisoana, ny hosoka na ny asa ratsy, ary hampiharana ny Fepetra Fampiasana ampiasainay.
5. Inona no fototra ara-dalàna anananay amin'ny fikirakiranay ny angon-drakitra momba anao manokana?
Miezaka izahay mba hahazoana antoka fa manana fototra ara-drariny sy ara-dalàna amin'ny fikirakirana ny angon-drakitra momba ny tena manokana rehetra angoninay izahay. Ny fototra ara-dalàna anaovanay ny fikirakirana dia mety hiovaova arakaraka ny faritra ao amin'ny Tranonkala; ny antony ikirakiranay ny angon-drakitra momba anao manokana, ao anatin'izany ireo antony voalaza etsy ambony ao amin'ny hoe «Inona no antony ikirakiranay ny angon-drakitra momba ny tena manokana»; ary ny zavatra takin'ny lalàna eo an-toerana ao amin'ny fari-piadidiana misy anao.
Ny fototra ara-dalàna voalohany anananay amin'ny fikirakirana ny angon-drakitra momba ny mpampiasa manokana dia ny fanekena, izay alainay aminao rehefa mamorona kaonty ao amin'ny Tranonkalanay ianao, isaky ny mampakatra angon-drakitra momba anao manokana ao amin'ny Tranonkalanay ianao, na rehefa mameno taratasy hafa izay androtsahanao angon-drakitra momba anao manokana amin'ny FamilySearch.
Azonay atao koa ny mikirakira angon-drakitra momba ny tena manokana mba hiarovana ny tombontsoa ara-dalànanay amin'ny maha-fikambanana mpikaroka ara-tetiarana tsy mitady tombontsoa anay, anisan'izany, raha ilaina, ny fanomezana sehatra hahafahanao manao sy mirakitra fikarohana ara-tetiarana, ary koa ho an'ny fanaraha-maso, ny fanadihadiana angon-drakitra, ny famahana olana eo amin'ny rafitra, ny fitakiana ara-dalànana, ary adidy ara-pitsipika. Amin'ny tranga tsirairay, dia hampifandanjainay amin'ny zonao sy ny fahafahanao ny tombontsoa ara-dalànanay, ka ny angon-drakitra ilaina mba hanatanterahana ireo tanjona voalaza eo ambony ihany no hokirakirainay.
Ao amin'ny faritra voafetra sasany ao amin'ny Tranonkalanay, izahay dia manome sehatra mihidy, izay ahafahan'ny mpampiasa mizara Angon-drakitra momban'olona velona amina vondrona mpampiasa vitsivitsy hafa nasaina, araka izay ilaina mba hanaovana fikarohana ara-tetiarana. Ao amin’ireny faritra ireny, ny FamilySearch dia mikirakira votoaty noforonin'ny mpampiasa, izay misy Angon-drakitra momban'olona velona amin’ny anaran’ny mpampiasa, araka ny toromarik'ilay mpampiasa. Izahay dia tsy mikirakira na mampiasa Angon-drakitra momban'olona velona ho an'ny tanjonay manokana, na mamaritra ny fototra ara-dalàna amin'ny fikirakirana azy ireny. Ny mpampiasa tsirairay dia tompon'andraikitra amin'ny fikirakirany manokana ny Angon-drakitra momban'olona velona rehetra izay arotsany na zarainy ao amin'ny Tranonkala. Hampahafantarina ianao rehefa mandrotsaka angon-drakitra ao amin'ny iray amin'ireo faritra ireo (ohatra: hazon'ny mpampiasa tokana na ana vondron'olona), ary hampahatsiahivina fa tompon'andraikitra amin'ny Angon-drakitra momba ny olona velona rehetra arotsakao.
Miankina amin'ny zavatra takin'ny lalàna eo an-toerana ao amin'ny fari-piadidiana misy anao, raha mikirakira Angon-drakitra momba ny olona velona mifandray amin'ny asa ataon'ny tena manokana na ataon'ny tokantrano fotsiny ianao, dia mety tsy hiharan'ny zavatra takin'ny lalàna momba ny fiainana manokana. Na izany aza, na inona na inona tranga, dia tsy maintsy manana zo na alalana hizara Angon-drakitra momba ny olona velona amin'ny mpampiasa hafa ianao, araka ny Fifanarahana momba ny Fandrotsahana Votoaty sy ny Fepetra Fampiasanaampiharin'ny FamilySearch.
6. Amin'iza no izaranay angon-drakitra momba ny tena manokana?
Azonao atao ny manakana anay tsy hizara ny angon-drakitra momba anao manokana na mametra ny fampahalalana zarainay amin'ny alalan'ny fanovana ny safidinao ao amin'ny mombamomba anao na amin'ny alalan'ny fifandraisana aminay amin'ny fampiasana ny fampahalalana omena eo ambany. Izahay dia mizara ny angon-drakitra momba anao manokana amin'olon-kafa amin'ireto toe-javatra manaraka ireto:
a. Olon-kafa mpamatsy taoraharaha. Azonay atao ny manome angon-drakitra momba ny tena manokana, anisan'izany ny sasany na ny rehetra amin'ireo sokajy voalaza ato amin'ity Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo ity, amin'olon-kafa mba hanatanterahany asa amin'ny anaranay amin'ny maha-mpikirakira angon-drakitra na mpanampy amin'ny fikirakirana angon-drakitra azy ireo (ohatra: fikirakirana fandoavam-bola, fikojakojana, fiarovana, fanadihadiana angon-drakitra, fampiantranoana, taoraharaha fandrefesana, fandefasan-kafatra amin'ny tambajotran-tserasera mifototra amin'ny angon-drakitra, tsapan-kevitra, sns.). Amin'ny tranga toy izany, araka ity Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo ity sy araka izay takin'ny lalàna manan-kery, dia takinay amin'ny mpamatsy taoraharaha, araka ny fifanarahana, ny hiarovana ny angon-drakitra momba ny tena manokana tsy hiharana fikirakirana fanampiny (ao anatin'izany ny fikirakirana ho an'ny tanjona ara-barotra) sy tsy hiharana famindrana. Raha hijery ny lisitr'ireo olon-kafa izay mety hanangona ny sasany amin'ny angon-drakitra momba anao manokana amin'ny alalan'ny fampiasana cookies, dia jereo ny Safidy amin'ny Cookie azafady.
b. Rantsan'ny Fiangonana. Amina toe-javatra voafetra sasany, izahay dia mety hizara amina fikambanana mpanohana ao amin'ny Fiangonana angon-drakitra momba ny tena manokana voafetra, toy ny antontan'isa sy angon-drakitra momba ny hetsika ataonao ao amin'ny Tranonkalan'ny FamilySearch, mba hamolavolana sy hanatsarana ny taoraharahanay. Amin'ny tranga toy izany, dia hatao tsy mitonona anarana araka izay azo atao ny angon-drakitra momba ny tena manokana. Ny FamilySearch ihany koa dia mety hampiasa ny loharanom-pitaovan'ny Fiangonana iombonana sasany (ohatra: rindrambaiko) mba hitantanana ny angon-drakitra momba ny tena manokana, saingy ny mpiasan'ny FamilySearch izay manana antony ara-dalàna hahalalana izany mba hanatrarana ny tanjon'ny FamilySearch, araka ity Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo ity, ihany no afaka miditra amin'ny angon-drakitra momba ny tena manokana ao amin'ny FamilySearch. Raha mpikamban'ny Fiangonana ianao ka mampifandray an-tsitrapo ny mombamomba ny maha-mpikambana anao ao amin'ny Fiangonana amin'ny kaonty FamilySearch-nao, dia manaiky ianao fa ny FamilySearch dia mety hizara angon-drakitra momba ny tena manokana izay alefanao any amin'ireo sampan'ny Fiangonana mifandraika amin'izany, mba hiraketana ôrdônansy sy asa atao any amin'ny tempoly.
c. Mpampiasa tranonkala. Mba hiarovana tsara kokoa ny fiainanao manokana, ilay Tranonkala dia namboarinay mba tsy hahafahan'ny mpampiasa mizara Angon-drakitra momba ny olona velona amina mpampiasa hafa ao amin'ilay Tranonkala afa-tsy ao amin'ny faritra voafetra sasany ao amin'ilay Tranonkala, izay tsy azo idirana raha tsy misy fanasana ihany. Ao amin'ireo faritra voafetra ireo, dia azonao atao ny misafidy ny hanao ny sasany amin'ireo fampahalalana momba ny tetiarana tsy voatery omenao ao amin'ny Tranonkala ho azon'ny mpampiasa FamilySearch hafa idirana (ohatra, ny fampahalalana ampidirinao ao amin'ny hazon-tetiaranao). Raha tsy misy fangatahana na fihetsika avy aminao, dia tsy hataon'ny FamilySearch ho azon'ny olona hafa afa-tsy ianao, ilay mpandrotsaka azy, jerena ny Angon-drakitra momba ny olona velona omenao. Tsy maintsy misafidy ny hanao izany ho azo idirana ianao (ohatra: rehefa miditra amina vondrona iray ianao ka mizara angon-drakitra momba ny tena manokana ao anatin'izany vondrona izany). Na izany aza, tsy tokony hampiditra fitahirizana misy Angon-drakitra momba ny olona velona amin'olona efa maty ao amin'ny tetiarana iray azon'ny besinimaro jerena ianao. Ny FamilySearch dia miezaka mametra ny toe-javatra ahafahanao mizara Angon-drakitra momba ny olona velona mba hanajana ny lalàna manan-kery sy hiarovana ny fiainana manokan'ny havanao.
Araka ny voalaza etsy ambony, ny mpampiasa tsirairay dia tompon'andraikitra amin'ny fikirakirany manokana ny Angon-drakitra momba ny olona velona rehetra izay arotsany na zarainy ao amin'ny Tranonkala. Rehefa misafidy ny hizara Angon-drakitra momba ny olona velona amina mpampiasa hafa ianao, dia manamafy ianao fa ianao no tompon'andraikitra amin'izany angon-drakitra izany; ianao dia manana zo na alalana hizara izany angon-drakitra izany amin'ny mpampiasa hafa, araka ny Fifanarahana momba ny Fandrotsahana Votoaty sy ny Fepetra Fampiasana ampiharin'ny FamilySearch; ho an'ny tanjona fikarohana manokana sy ara-tetiarana ihany no izaranao izany angon-drakitra izany; ary mifanaraka amin'ny lalàna manan-kery izany fizarana izany.
Azonao atao amin'ny fotoana rehetra ny manamboatra ny fahafahan'ny mpampiasa FamilySearch hafa na ny besinimaro mahita ny angon-drakitra momba anao manokana, amin'ny alalan'ny fanovana ny safidinao momba ny fiainana manokana na amin'ny alalan'ny fifandraisana aminay amin'ny alalan'ny fampiasana ny mombamomba omena eo ambany. Ny fitahirizana rehetra misy Angon-drakitra momba ny olona velona dia tokony hatao «tsy ho hitan'ny besinimaro».
Na izany aza, ny FamilySearch dia mety hanao ny angon-drakitra momba ny tena manokana sasany izay azo avy amina loharano hitan'ny besinimaro sy ara-tantara ho azon'ny besinimaro jerena, rehefa avelan'ny lalàna manan-kery eo an-toerana.
d. Zavatra takin'ny lalàna. Izahay dia mety hiditra sy hizara ny angon-drakitra momba anao manokana, ny rantinao, ny resadresaka an-tserasera ataonao, ny fanamarihana fohy ataonao, ny votoatin-javatrao, na ny zavatra hafa arotsakao amin'olon-kafa, raha mino amin-kitsimpo izahay fa takin'ny fiantsoana hiatrika fitsarana, takin'ny didim-pitsarana na didim-panjakana, na takin'ny lalàna ny fanaovana izany. Fanampin'izany, azonay atao ny mamboraka ny angon-drakitra manokana sy ny fampahalalana hafa momba anao araka izay takin'ny lalàna na mba hampiharana na hiarovana zo ara-dalàna; mba handraisana fepetra fisorohana andraikitra; mba hiarovana ny zo, ny fananana, na ny ny maha-azo antoka tsy misy atahorana ny loharanom-pitaovan'ny olona tsirairay na ny besinimaro; mba hitazonana sy hiarovana ny filaminana sy fahitsian'ny taoraharaha na fotodrafitrasanay; mba hiarovana ny tenanay sy ny taoraharahanay amin'ny fampiasana misy hosoka, manararaotra, na tsy ara-dalàna; mba hanadihadiana sy hiarovana ny tenanay amina fitarainana na fiampangan'ny olon-kafa; na mba hanampiana ireo sampan-draharaham-panjakana misahana ny fampiharana ny lalàna.
7. Aiza no itehirizanay ny angon-drakitra momba ny tena manokana?
Azonay atao ny mitahiry ny angon-drakitra momba anao manokana any ivelan'ny firenena misy anao, ao anatin'izany ny any Etazonia, amina lohamilina, ao amin'ny vahaolana fitehirizana amin'ny alalan'ny mpamatsy tambajotra an'aterineto, na ao amin'ny toerana misy ny FamilySearch sy ireo fikambanana mpanohana mifandray aminy. Mba hiantohana ny fiarovana araka ny tokony ho izy ny angon-drakitra momba ny tena manokana voafindra any amina fari-piadidiana hafa, dia manao fifanarahana momba ny famindrana sy fikirakirana angon-drakitra eo amin'ny FamilySearch sy ny mpamatsy taoraharahanay sy ny fikambanana mpiara-miasa aminay ary ny arisiva izahay, raha takin'ny lalàna izany. Ireo fifanarahana famindrana ireo dia ahitana ny Andinim-pifanarahana Mahazatra nankatoavin'ny Vaomieran'i Eorôpa mifanaraka amin'ny lalàn'ny Vondrona Eorôpeana na andinim-pifanarahana hafa araka izay takin'ny lalàna manan-kery (izay mety ho azonao jerena raha mifandray aminay amin'ny alalan'ny fampiasana ny fampahalalana any amin'ny faran'ity Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo ity ianao).
8. Ahoana no iarovanay ny angon-drakitra momba ny tena manokana?
Mampiasa fepetra ara-teknika sy ara-pandaminana izahay mba hiarovana ilay angon-drakitra momba ny tena manokana voarainay amin'ny fahaverezana, ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy, ary ny fanovana tsy nahazoana alalana, ary mba hiarovana ny maha-tsiambaratelo azy. Izahay dia mandinika tsy tapaka ny rindran-damina momba ny fiarovana ampiasainay ary mihevitra ny teknolojia sy ny fiarovana maoderina indrindra. Mampiasa teknolojia fanidiana amin'izao fotoana izao ihany koa izahay mba hanidiana ny fampitana angon-drakitra eo amin'ny pejy fidiranay. Na izany aza, satria tsy afaka miantoka ny fiarovana tanteraka amin'ireo teknolojia fanidiana ireo izahay, dia mitandrema azafady rehefa mandrotsaka angon-drakitra momba ny tena manokana amin'ny aterineto.
9. Hafiriana no ihazonanay ny angon-drakitra momba ny tena manokana?
Izahay dia mihazona ny angon-drakitra momba ny tena manokana voaangona, ao anatin'izany ny fampahalalana voaangona tamin'ny alalan'ny Tranonkala sy ny fandrotsahana hafa, araka izay fotoana ilana izany mba hanohanana ny fikarohana ara-tetiarana, ara-tantara ary araka antontan'isa sy ny tanjona fitehirizana. Amin'ny ankapobeny, raha tsy hoe mampihatra ny zo hamafa ianao na, raha tsy izany, takin'ny lalàna manan-kery ny fanesorana, angon-drakitra momba ny tena manokana dia tehirizina mihoatra ny: (a) 110 taona manomboka amin'ny daty namoronana na nanangonana; na (b) izay fe-potoana lava kokoa takin'ny lalàna manan-kery na avelan'ny lalàna manan-kery.
10. Ahoana no ahafahanao mampihatra ny zonao momba ny angon-drakitra momba anao manokana?
Izahay dia miezaka mitazona ny fahamarinan'ny angon-drakitra momba ny tena manokana ary matoky anao hanao izay hahazoana antoka fa feno sy marina ny angon-drakitra momba anao manokana sy ny Angon-drakitra momba ny olona velona rehetra arotsakao. Azonao atao ny mangataka fahafahana miditra amin'ny angon-drakitra momba anao manokana ka manamarina, manitsy, na manavao izany, ary mametra ny fahafahana mahita ny angon-drakitra momba anao manokana, amin'ny alalan'ny fisoratana anarana Amina tranonkala manokana, amin'ny alalan'ny profil-nao, na amin'ny alalan'ny kaonty FamilySearch-nao, araka izay azo ampiharina. Raha hamerina hijery ireo safidy ireo, dia tsidiho eto ny fikirakirana ny kaonty FamilySearch-nao azafady.
Miankina amin'ny fari-piadidiana misy anao, mety hanome anao zo fanampiny momba ny fampiasana ny angon-drakitra momba anao manokana ny lalàna momba ny fiarovana ny mpanjifa na ny fiainana manokana. Azonao atao ny mifandray aminay mba hampiharana zo ara-dalàna fanampiny amin'ny alalan'ny fampiasana ny fampahalalana omena eo ambany. Mety ho ao anatin'izany zo izany ny:
- Zo hiditra na Zo hahalala – Ianao dia manana zo hiditra amin'ny angon-drakitra momba ny tena manokana hazoninay momba anao, ary zo hangataka ny fampahalalana sasany momba ny fikirakirana ataonay. Manan-jo hahazo fanazavana momba ny (i) antony ikirakiranay ny angon-drakitra momba anao manokana ianao, (ii) ny sokajin'angon-drakitra momba ny tena manokana anananay momba anao, (iii) ny olona izaranay ny angon-drakitra momba anao manokana, (iv) ny halavan'ny fotoana itehirizanay ny angon-drakitra momba anao manokana, ary (v) ny olona nandraisanay ny angon-drakitra momba anao manokana, raha tsy noraisina mivantana taminao izany. Hampahafantarinay anao ihany koa ny zonao momba ny fihazonana ho tsiambaratelo rehefa takin'ny lalàna manan-kery.
- Zohanitsy – Manana zo hanitsy, hanavao na hameno ny angon-drakitra momba ny tena manokana hazoninay momba anao, izay tsy marina na tsy feno, ianao. Mariho azafady fa mety hanitsy na hanaisotra fampahalalana tsy feno na tsy marina amin'ny fotoana rehetra izahay, araka izay takina na avelan'ny lalàna manan-kery.
- Z ohamafa – Azonao atao ny mangataka ny hamafana ny angon-drakitra momba anao manokana, araka izay mety. Amin'izay fotoana izany, raha tsy misy fototra ara-dalàna na tombontsoa ara-dalàna manan-danja kokoa hanohizana ny fikirakirana ny angon-drakitra momba anao manokana, dia hofafanay ny angon-drakitra momba anao manokana. Araka izay mety sy avelan'ny lalàna, ianao dia manana zo hangataka ny hanesoranay izay mety hahafantarana anao na hanova ny fampahalalana sasany ho tsy mitonona anarana mba tsy hahafahana mamantatra anao intsony amin'izany.
- Zo handà ny fikirakirana – Manana zo handà ny fikirakiranay ny angon-drakitra momba anao manokana ianao, raha mifototra amin'ny tombontsoa ara-dalàna izany na raha fikirakirana ny angon-drakitra momba anao manokana hanaovana marketing mivantana no ataonay.
- Zo hametra ny fikirakirana – Manana zo ianao, amin'ny toe-javatra sasany, ny hanakana anay tsy hikirakira ny angon-drakitra momba anao manokana, afa-tsy amin'ny tanjona fitehirizana.
- Zo hampita – Anananao ny zo hahazo ny angon-drakitra momba ny tena manokana hazoninay momba anao amina endrika voarafitra, ampiasaina matetika ary azon'ny milina vakina, raha kirakirainay miainga amin'ny fifanarahanay aminao, na amin'ny fanekenao izany, na zo hangataka aminay hampita izany angon-drakitra momba ny tena manokana izany any amin'olon-kafa, raha azo atao ara-teknika izany.
- Zo hisintona ny fanekena – Azonao atao amin'ny fotoana rehetra sy maimaimpoana ny misintona ny fanekena rehetra efa nomenao anay teo aloha momba ny fikirakirana ny angon-drakitra momba anao manokana. Hampiharinay manomboka amin'izay ny safidinao. Tsy hisy fiantraikany amin'ny maha-ara-dalàna ny fikirakirana natao talohan'ny nanesoranao ny fanekenao izany.
- Zo hametraka fitarainana – Afaka mametraka fitarainana any amin'ny manampahefana mpanara-maso ny fiarovana angon-drakitra ianao, ao anatin'izany ny any amin'ny firenena misy anao, ny toeram-piasanao, na ny toerana heverinao fa nitrangan'ny tranga iray.
- Zo tsy hiharan'ny fanavakavahana – Tsy hanavakavaka anao noho ny fampiharanao ny zonao izahay.
- Zo hiala amina dokam-barotra na varotra mikendry mpanjifa – Raha takin'ny lalàna manan-kery, dia azonao atao ny mangataka ny tsy hampiasanay ny angon-drakitra momba anao manokana hanaovana dokam-barotra na fizarana mikendry mpanjifa.
Mety hiovaova arakaraka ny fari-piadidiana ny tena fari-piantefan'ireo zo ireo. Mifandraisa aminay amin'izay mety ho fanontaniana rehetra na hampiharana ireo zo ireo.
Raha misy mpampiasa hafa mikirakira na mizara ny angon-drakitra momba anao manokana, dia mifandraisa amin'io mpampiasa io mba hangatahana aminy hamafa na hanitsy izay angon-drakitra momba ny tena manokana narotsany na nozarainy momba anao. Ny mpampiasa tsirairay dia tompon'andraikitra amin'ny fikirakirany manokana ny Angon-drakitra momban'olona velona rehetra izay arotsany na zarainy ao amin'ny Tranonkala momba ny olon-kafa. Azonao atao koa ny mifandray aminay mivantana amin'ny alalan'ny fampiasana ny mombamomba ahafaha-mifandray omena eo ambany, ary afaka manampy amin'ny fanitsiana na ny famafana ny angon-drakitra momba anao manokana izahay raha mangataka izany ianao.
Raha sendra olana amin'ny fanovana, famafana na fanavaozana ny angon-drakitra momba anao manokana ianao, dia afaka mifandray aminay amin'ny alalan'ny fampiasana ny fampahalalana omena any amin'ny faran'ity Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo ity.
11. Fanitsiana.
Mety hasiam-panovana tsindraindray izy ity. Ho voarainao amin'ny alalan'ity Tranonkala ity ny filazana momba ny fanovana rehetra.
12. Mifandraisa aminay.
Ny fanontaniana momba ity Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo ity na izay fanontaniana hafa mety hanananao momba ny fikirakirana angon-drakitra ataonay dia azo alefa amin'ny alalan'ny mailaka, fax, na taratasy any amin'ny:
Mailaka: privacy@familysearch.org
Fax: +1-801-240-1187
Paositra:
FamilySearch Data Privacy Office
50 E. North Temple Street
Salt Lake City, UT 84150-0005
USA
-------------------------------------------------------------------------
Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo fanampiny
(Sehatra ara-toekarena Eorôpeana, Torkia, Soisa, ary ny Fanjakana Mitambatra (Sehatra ara-toekarena Eorôpeana+))
Manankery: 24 martsa 2026
Ity Filazana momba ny fiarovana ny tsiambaratelo fanampiny ity dia mihatra raha vatatenan'olona mipetraka ao amin'ny Vondrona Eorôpeana, Sehatra ara-toekarena Eorôpeana, Torkia, Soisa, na ny Fanjakana Mitambatra ianao. Tafiditra ao anatin'ny Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo maneran-tanin'ny FamilySearch izy io ary anisan'izany.
Ity Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo fanampiny ity dia manome fampahalalana fanampiny miavaka ho an'ny faritra EEA+.
1. Fototra ara-dalàna amin'ny fikirakirana angon-drakitra momba ny tena manokana
Raha mipetraka ao amin'ny Sehatra ara-toekarena Eorôpeana, Torkia, Fanjakana Mitambatra na Soisa ianao, dia voalaza ato amin'ity fizaràna ity ny fototra ara-dalàna ikirakiranay ny angon-drakitra momba anao manokana:
- Fanekena – Ity no tranga izay nanaovanao fanekena ny fampiasana ny angon-drakitra momba anao manokana.
- Fifanarahana – Izahay dia mila ny angon-drakitra momba anao manokana mba hanomezana anao ny taoraharahanay sy hanatanterahana ny adidinay mifandraika amin'ny fifanarahanay aminao, toy ny famoronana sy fiarovana ny kaontinao, na ny famaliana ny fanontanianao.
- Tombontsoa ara-dalàna – Izahay dia manana tombontsoa ara-barotra ara-dalàna amin'ny fikirakiranay ny angon-drakitra momba anao manokana mba hanomezana anao ny taoraharaha. Ny tombontsoa ara-dalàna ihany no ianteheranay amin'ny maha-fototra ara-dalàna azy rehefa tsy manitsakitsaka ny zonao fototra sy ny fahafahanao mifandraika amin'ny fiainana manokana sy ny fiarovana angon-drakitra amin'ny ankapobeny ny tombontsoa ara-dalànanay. Ataonay izay hahazoana antoka fa manaja ny fangatahana rehetra ataonao mba hampiharana ny zonao mifandraika amin'izany izahay.
- Adidy ara-dalàna –Mety hanana adidy ara-dalàna hikirakira ny angon-drakitra momba anao manokana izahay, ohatra, mba hanajana ny adidy momba ny hetra sy ny kaonty, ary mety hikirakira ny angon-drakitra momba anao manokana izahay rehefa ilaina izany mba hametrahana, hampiharana na hiarovana fitakiana araka ny lalàna. Mety hikirakira ny angon-drakitra momba anao manokana ihany koa izahay raha ilaina mba hiarovana ny tombontsoa manan-danja anananao na ananan’olon-kafa.
2. Mifandray amin'ny Mpanara-maso
Mifandraisa aminay, amin'ny maha-mpanara-maso ny angon-drakitra momba anao manokana anay, amin'ny alalan'ny privacy@familysearch.org.
3. Mpiandraikitra ny fiarovana ny angon-drakitra
Azo atao ny mifandray amin'ny Mpiandraikitra ny Fiarovana ny Angon-drakitra ato aminay amin'ny alalan'ny:
Mailaka: privacy@familysearch.org
Fax: +1-801-240-1187
Paositra:
FamilySearch Data Privacy Office
50 E. North Temple Street
Salt Lake City, UT 84150-0005
USA
4. Solontenan'ny fiarovana ny angon-drakitra
Azo atao ny mifandray amin'ny Solontenanay misahana ny fiarovana ny angon-drakitra amin'ny alalan'ny:
Mailaka: privacy@familysearch.org
Fax: +49 (0)69 5480 2310
Paositra:
Kirche Jesu Christi der Heiligen der Letzten Tage in Deutschland
Körperschaft des öffentlichen Rechts,
Berner Str 119,
60437 Frankfurt am Main
Deutschland
Famindrana angon-drakitra iraisam-pirenena
Raha manome anay ny angon-drakitra momba anao manokana ianao rehefa mampiasa ny Tranonkala avy ao amin'ny Sehatra ara-toekarena Eorôpeana, Torkia, Fanjakana Mitambatra, Soisa, na faritra hafa eto amin'izao tontolo izao izay manana lalàna mifehy ny fanangonana sy fampiasana angon-drakitra mety tsy hitovy amin'ny lalàn'i Etazonia, dia fantaro fa mamindra ny angon-drakitra momba anao manokana any ivelan'ireo faritra ireo mankany Etazonia ianao mba hotehirizina sy hokirakirana.
Raha mamindra ny angon-drakitra momba anao manokana mankany amin'ny firenen-kafa izahay, dia hataonay izay hahazoana antoka fa misy ny fiarovana mifandraika amin'izany mba hanomezana fiarovana mifanentana amin'ny angon-drakitra momba anao manokana, ary hanaja ny lalàna manan-kery momba ny fiarovana ny angon-drakitra izahay, amin'ny alalan'ny fianteherana amin'ny fanapahan-kevitra fampifanentanan'ny Vondrona Eorôpeana, Torkia, Fanjakana Mitambatra na Soisa, na ny fiarovana ara-pifanarahana mahazatra amin'izao fotoana izao momba ny famindrana ny angon-drakitra momba anao manokana, na ny famelana handingana fepetra raha misy izany.
Ny fototra ara-dalàna manokana amin'ny famindrana iraisam-pirenena na miampita sisin-tany ny angon-drakitra momba anao manokana dia voalaza ao amin'ny Fepetra momba ny fikirakirana sy famindrana angon-drakitra momba anao, izay hita eto.
5. Fitarainana
Manana zo hifandray amin'ny manampahefana mpanara-maso mifanaraka amin'izany, amin'ny fotoana rehetra, ianao raha hametraka fitarainana momba ny fikirakirana ny angon-drakitra momba anao. Ny lisitr'ireo manampahefana mpanara-maso ao amin'ny Vondrona Eorôpeana dia hita eto. Ny manampahefana mpanara-maso hafa rehetra dia afaka ny ho hita amin'ny alalan'ny fikarohana ny pejy fandraisana ao amin'ny tranonkalany.
-------------------------------------------------------------------------
Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo fanampiny ho an'i Però
Manankery: 24 martsa 2026
Ny Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo fanampiny dia tsy mihatra afa-tsy amin'ny hoe vatan-tenan'olona hita any Però ianao. Tafiditra ao anatin'ny Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo maneran-tanin'ny FamilySearch izy io ary anisan'izany.
Ity Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo fanampiny ity dia manome fampahafantarana takin'ny lalàna peroviana.
1. Fototra ara-dalàna amin'ny fikirakirana angon-drakitra momba ny tena manokana
Raha mipetraka ao Però ianao, dia amin'ity fototra ara-dalàna manaraka ity no ikirakiranay ny angon-drakitra momba anao
manokana:
Fanekena nialohavam-panazavana: Rehefa avy aminao mivantana no ahazoana ny angon-drakitra momba anao manokana, dia azonay ny fanekena nialohavam-panazavana ataonao rehefa mamorona kaonty ao amin'ny Tranonkalanay ianao, rehefa mandrotsaka angon-drakitra momba anao manokana ao amin'ny Tranonkalanay ianao, na, raha tsy izany, rehefa mandrotsaka angon-drakitra momba anao manokana ao amin'ny FamilySearch ianao.
2. Fisiana sy famantarana ny tahirin-toro
Ny angon-drakitra momba anao manokana dia hotehirizina ao anatina angon-toro azo antoka miantrano ao amin'ilay
Tranonkala, izay ampiasaina mba hampandehanana, hikojakojana ary hanohanana io taoraharaha io.
3. Fisoratana anarana
Any Però, ny tahirin-toro momba ny tena manokana izay itehirizana ny angon-drakitra momba anao manokana dia nambara tamin'ny Fahefana nasionaly misahana ny fiarovana ny angon-drakitra momba ny tena manokana, tamin'ny alalan'ny fanoratana izany tao amin'ny Firaketana an-tsoratra nasionaly momba ny fiarovana ny angon-drakitra momba ny tena manokana, ambanin'ny anarana hoe: «MPAMPIASA NY TRANONKALA» sy ny kaody hoe: EE-2025-4. Ny fikirakirana angon-drakitra momba ny tena manokana rehetra dia atao mifanaraka amin'ny lalàna peroviana manan-kery, anisan'izany ny Lalàna laharana 29733 (Lalàna momba ny fiarovana ny angon-drakitra momba ny tena manokana) sy ny fitsipika momba izany.
4. Ny zonao sy ny fomba hampiharana izany
Ankoatra ireo zo voatanisa ao amin'ny Fizarana faha-10 amin'ny Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo maneran-tanin'ny FamilySearch, raha mipetraka any Però ianao, dia manan-jo ianao: (i) hanakana ny fampahafantarana ny angon-drakitra momba anao manokana, (ii) hitaky onitra araka ny voalaza ao amin'ny Lalàna momba ny fiarovana ny angon-drakitra momba ny tena manokana, (iii) tsy hiharan'ny fanapahan-kevitra mandeha ho azy, ary (iv) hahazo fanonerana, araka ny Andininy faha-19 hatramin'ny faha-21 sy ny Andininy faha-24 hatramin'ny faha-25 amin'ny LPDP. Azonao atao ny mampihatra ireo zo ireo momba ny angon-drakitra momba anao manokana amin'ny alalan'ny fampiasana ireo fomba fiasa voalaza ao amin'ny Fizarana faha-10-n'ny Filazana momba ny fihazonana ho tsiambaratelo maneran-tanin'ny FamilySearch.