Fifanarahana ataon’ny FamilySearch momba ny fandefasana votoatin-javatra

Nohavaozina tamin’ny 2023-09-01

Ny FamilySearch International (“FamilySearch”, “izahay”, “aminay”, na teny mitovitovy amin’izany) dia fikambanana tsy mitady tombontsoa. Ny adidy sy andraikitry ny FamilySearch izay mifandray amin’ny famoahana sy ny fomba hafa ampiasana izay mety ho fampahalalana na fitaovana nomenao ny FamilySearch.org (io no “Tranonkala”) dia  fehezin’io Fepetra fampiasana ny Tranonkala io amin’ny fomba hentitra (ireo “Fepetra fampiasana”) sy ity Fifanarahana ataon’ny FamilySearch momba ny fandefasana votoatin-javatra ity (ity “Fifanarahana” ity) Ity Fifanarahana ity dia manantitrantitra sy/na manampy amin’ireo Fepetra fampiasana; tsy manolo ny Fepetra fampiasana ity. Ny Fompa fampiasana sy ity Fifanarahana ity dia mifampiditra toy ny hoe naverina notanisaina mazava tsara, ao amin’izy roa tonta. Ny fandefasanao zavatra, ny fandraisanao anjara, na ny fampielezanao izay mety ho fampahalalana na fitaovana amin’izay rehetra mety mifandray amin’ity Tranonkala ity dia midika fa ianao dia manaiky ny Fepetra fampiasana sy ireo fepetra rehetra mifehy ity Fifanarahana ity.

1. Ianao dia tompon’andraikitra amin’izay lahatahiry nozarainao. Ny fanapahan-kevitra ny handefa fampahalalana, na votoatin-javatra, na lahatahiry ara-tetiarana, na sary, na lahatsoratra, na tahirin-kevitra, na raki-peo na horonan-tsary, na fifanakalozan-kevitra, na fanehoan-kevitra, na fitaovana hafa (izy rehetra mitambatra na tsirairay “Votoatin-javatra nozaraina”) ato amin’ity Tranonkala ity dia andraikitrao. Ireo Votoatin-javatra nozaraina rehetra alefanao ato amin’ity Tranonkala ity dia mety haseho sy azon’ny hafa karohina, jerena sy henoina ary koa ampiasaina mifanaraka amin’ny Fepetra fampiasana sy ity Fifanarahana ity. Aza zaraina ny zavatra izay tsy tianao ho hitan’ny hafa.

2. Zo handefa. Ny fandefasanao Votoatin-javatra nozaraina eto amin’ity Tranonkala ity, dia midika fa ianao dia manamafy fa manana zo ara-dalàna mba handefa Votoatin-javatra nozaraina toy izany ianao ary ny fandefasana sy ny fampiasana izany mifanaraka amin’ny Fepetra fampiasana sy ity Fifanarahana ity dia tsy hanitsakitsaka na inona na inona zo manokana ana ankolafy hafa, zon’ny mpamorona, na zo fizakamanana hafa. Ny fanamafisanao ny fananana zo ara-dalàna mba handefa Votoatin-javatra nozaraina dia midika fa ianao dia manaiky ireo andraikitra araka ny lalàna ny amin’ny fampiasanay (sy ireo izay nomenay lalana) ny Votoatin-javatra nozaraina nalefanao.

3. Zon’ny mpamorona. Maha-sarotiny anay ny zon’ny mpamorona sy ny zon’ny fizakamanana ara-tsain’ny hafa. Aoka ho fantatrao fa ny votoatin-javatra, anisan’izany ny sary, tantara, sy ny zavatra niainana manokana, na dia nalefa tamin’ny lafiny hafa tamin’ity Tranonkala ity aza ka misy ifandraisany aminao, dia mbola fananan’ilay namorona na nandefa azy. Tsy azonao atao ny manao tahadika izany tsy nahazoana lalana tamin’ilay tompony. Ireo sarin’olona izay velona, ankoatra ny an’ireo zanakao tsy ampy taona, dia tsy azo zaraina velively raha tsy nahazoana lalana avy amin’izy ireo. Rehefa mamorona horonam-peo / raki-peo, ny votoatin-javatra noraketinao manokana dia tokony ho ny anao ihany, na raha zavatra noforonin’olon-kafa (ohatra hoe tononkalo na lahatsoratra) dia tsy tokony hampiasaina raha tsy nahazoana lalana tamin’ilay tompony.

4. Fahazoan-dalana hampiasa sy zo nomena anay. Ny fandefasana Votoatin-javatra nozaraina amin’ity Tranonkala ity dia midika fa ianao dia manome lalana malalaka, tsy misy raorao, tsy misy takalo, maneran-tany, tsy azo iverenana sy azo omena ny hafa mba ho ampiasana ary manome ny FamilySearch fahazoan-dalana hampiasa mandrakizay izay mety ho Votoatin-javatra nozaraina sy ireo Votoatin-javatra nozaraina rehetra alefanao na koa omenao ato amin’ity Tranonkala ity, ho amin’ny tanjona rehetra, sy amin’izay mety hampiasana azy sy amin’ny fomba rehetra, ary amin’izay mety ho endriny rehetra hampiasana azy amin’ny haino vaky jery, izay, izahay irery ihany no mahafantatra izay ampiasainay azy, ka hitanay fa mety amin’ny fampandrosoana ny iraka tanterahanay amin’ny fampiroboroboana ny tantaram-pianakaviana sy ny fikarohana ara-tetiarana. Tafiditra ao anatin’io fanomezan-dalana hampiasa io, ianao dia manome anay fahazoan-dalana tsy voafetra hanao tahadika, hampiseho ampahibemaso, handefa, hampita, hanao zavatra ampahibemaso, hizara, hanome olon-kafa fahazoan-dalana hampiasa, hanomorona asa hafa mifandray amin’izany (isan’izany, tsy misy fetra, ny fanakambanana manontolo na amin’ny ampahany ny Votoatin-javatra nozaraina nalefanao amin’izay nalefan’ny mpandefa hafa na koa ny fanisiam-panovana ny Votoatin-javatra nozarainao), ary koa mampiasa (sy manome ny hafa lalana hampiasa) ny Votoatin-javatra nozaraina nalefanao maneran-tany, amin’izay mety ho fomba rehetra hitanay fa mety (eletrônika na koa amin’ny alalan’ny Internet).

5. Fahamarinan’ny Lahatahiry nozaraina. Ianao dia manaiky ny hanome fampahalalana marina sy mitombina ary feno anay. Raha toa ka misy diso na tsy mazavazava amin’ireo fampahalalana omenao anao, amin’ny fomba izay izahay irery ihany marin-drano no mahafantatra azy, dia manan-jo izahay, fa tsy voatery, handray fepetra na hanao fisorohana izay hitanay fa mety ho tombontsoanay irery ihany, isan’izany ny famerana ny fahafahana mahita, na fanafoanana, sy/na ny fanisiam-panovana izay mety ho Votoatin-javatra nozaraina nalefanao.

6. Fitsinjovana ny mpampiasa hafa. Mangataka anao izahay mba hisafidy tsara ny Votoatin-javatra nozaraina halefanao. Manan-jo izahay ny hanala izay mety ho Votoatin-javatra nozaraina izay inoanay, ho an’ny tombontsoanay irery ihany sy marin-drano, fa (a) tsy mitondra soa, (b) tena manimba sy manala baraka olona velona, (d) manafintohina, mamoa fady, tsy mendrika, mandrahona, na manivaiva, na (d) koa manitsakitsaka ity Fifanarahana ity, ny Fepetra fampiasana, na ny Torolalana sy lalàna mifehy ny fandefasan-javatra. Mety haka fepetra ihany koa izahay, isan’izany ny famerana ny fahafahana mampiasa noho ny fanitsakitsahana ity Fifanarahana ity ary mampahafantatra ny fampiharana lalàna mahakasika izay mety ho zavatra atao izay mety manitsakitsaka ny lalàna mihatra. Izany dia ho an’ny tombontsoanay manokana.

7.  Fampiasana milina fitsirihana. Manan-jo malalaka izahay ny hikirakira sy hanisy fanovana ny Votoatin-javatra nozaraina nalefanao. Mampiasa milina mpanasivana izahay ho fitaovana hanafoanana ireo Votoatin-javatra nozaraina izay hitanay araka ny fandanjalanjanay fa mifandray amina olona velona na manitsakitsaka ny Fepetra fampiasana na ity Fifanarahana ity. Na dia tsy voatery hanao izany aza izahay dia manan-jo izahay ny hanisy fanovana ny Votoatin-javatra nozaraina nalefanao noho izay mety ho antony misy na tsy misy.

8. Fikajiana ireo zavatra nalefa. Kendrenay ny hampiasa ireo ezaka rehetra araka ny tokony ho izy mba hitazonana Votoatin-javatra nozaraina nalefanao mba hijanona araka ny maha-izy azy sy hisorohana ny fisian’ny fahadisoana na zavatra hadino ao amin’ny votoatin’ity Tranonkala ity. Izahay dia manome fahafahana ny handefasana ny Votoatin-javatra nozaraina izay mahakasika ny Fepetra fampiasana sy ity Fifanarahana ity. Ny asa toy izany sy ity Tranonkala ity dia atolotry ny “AS IS”, ary izahay dia sady tsy ho tompon’andraikitra na tompon’antoka amin’ireo fahadisoana na zavatra hadino amin’izay votoatin-javatra mety ho hitanao ato amin’ity Tranonkala ity, na amin’izay mety ho fahaverezana na fahavoazana, na tsy fetezana manjo ny Votoatin-javatra nozaraina izay alefanao. Azonao atao ny manaisotra ato amin’ity Tranonkala ity izay mety ho Votoatin-javatra nozaraina nalefanao, saingy tsy takina aminay ny hanala ireo rohy na firesahana momba ny Votoatin-javatra nozaraina izay nesorina. Aankoatra izany, ianao dia manambara sy manaiky vantany vao nanome fahazoan-dalana ny hafa izahay mba hampiasa ny Votoatin-javatra nozaraina nalefanao, dia mety tsy ho afaka izahay, ary tsy ho voatery, ny hanakana ireo olon-kafa nomena fahazoan-dalana hampiasa mba hitsahatra tsy hampiasa izany Votoatin-javatra nozaraina izany. Izahay dia tsy tompon’andraikitra amin’izay mety ho fahavoazana manokana na voka-dratsy aterak’izany amin’ny Votoatin-javatra nozaraina nalefanao na ny fandavanay ny handray ny Votoatin-javatra nozaraina nalefanao. Iangaviana ianao mba hijery ny Fepetra fampiasana hahitana fampahalalana fanampiny.

9. Lalàna momba ny fiarovana ny lahatahiry. Raha toa ianao ka monina any ivelan’i Etazonia, ianao dia manaiky ny fampiasan’i Etazonia izay mety ho lahatahiry mahakasika ny tena manokana izay nalefanao. Ianao ihany koa dia manaiky ny hanaraka ireo lalàna mihatra rehetra mifandray amin’ny fampitana fampahalalana mahakasika ny tena manokana mankany sy avy any Etazonia sy any amin’ny firenena onenanao.

10. Fitsipi-pitondrantena. Mba vakio amim-pahamalinana ange azafady ny fizarana momba ny Fitsipi-pitondrantena an’ny Fepetra fampiasana izay mihatra amin’ity Fifanarahana ity, miaraka amin’ireo fizarana hafa rehetra an’ny Fepetra fampiasana.

Nohavaozina tamin’ny 2023-09-01