Manantena izahay fa nankafizinao ny Fikarohana amin’ny alalan’ny fasana. Tsarovy fa mbola fanandramana ity fitaovana ity ary tsy dia ampy ny fanampiana azo atolotra.

Hikaroka toeram-pandevenana

Ny FamilySearch dia manana lahatahiry tsy mitsaha-mitombo ana toeram-pandevenana maneran-tany izay mifandray amin'ny hazon'ny tetiaram-pianakaviana lehibe indrindra maneran-tany. Karohy amin'ny alalan'ny toerana na anarana toeram-pandevenana mba hitadiavana ny fasan'ireo olona ao amin'ny fianakaviana efa nodimandry na olon-kafa mahaliana.

Fitsidihana toeram-pandevenana

Ireo toeram-pandevenana dia toerana fanehoana fanajana sy feno fahatsiarovana, toerana anomezan-kaja ireo izay efa nodimandry sy ampahafantarana ny fiantraikany nentin'izy ireo teo amin'ny fiainantsika. Ireo toerana fandevenana sy ireo toerana fandoroana faty ary ireo orimbato hafa dia manome fahafahana hianarana misimisy kokoa momba ireo razambentsika sy ny tantaran'izy ireo.

Ny fomba fampiasana ity tranonkala ity

Karohy sy tetezo mba hahitana ny toeram-pandevenana mahaliana anao. Eo amin'ny pejy tsirairay misy toeram-pandevenana ianao dia ho afaka hikaroka ny razambenao na olon-kafa izay mety ho nalevina na nomem-boninahitra teo amin'izany. Ianao koa dia hahita fampahalalana amin'ny ankapobeny momba ilay toeram-pandevenana, toy ny ora sy adiresy, mbamin'ny rohy mitondra eo amin'ny renipejin'ilay toeram-pandevenana mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa momba ireo tolotra omena.

Ireo toeram-pandevenana be mpikaroka indrindra ao Etazonia

Ireo toeram-pandevenana be mpikaroka indrindra ao Kanadà