Ireo zavatra azo atao manan-danja ao amin’ny Fahatsiarovana ao amin’ny FamilySearch

Ireto zavatra manaraka ireto dia hanampy anao hamorona fanangonana lova ahitana sarim-pianakaviana vaovao sy taloha, tantara, tahirim-pahalalana, ary raki-peo.

Mitrandraka ny herin’ny Lohahevitra Famantarana

Afaka mitombo vetivety ny firaketana Fahatsiarovana iray. Fomba tsotra iray hanampiana anao handamina araka ny sokajiny sy hankafy ny harenan’ny fianakavianao ny fampiasana lohahevitra famantarana.

Omeo tenifototra famantarana iray atao fampiasa ho an’ireo fahatsiarovana samihafa maromaro mba ho mora ny fitadiavana azy ireo. Eritrereto ho toy ny hitsin-dalana mankany amin’ireo venti-kevitra sy lohahevitra izay tianao izy ireo.

Efa nizara Alibaoma ve ianao?

Ny alibaoma dia fomba tsara iray hampikambanana sy hizarana Fahatsiarovana manodidina ny zavatra toy ny olona na zava-niseho. Ny olona izay hizaranao izany dia afaka mankafy ireo fahatsiarovanao tsirairay na ao anatina diaporama.

Avondrony araka ny olona, na fianakaviana, ny zava-niseho, na sokajy hafa ireo Fahatsiarovana. Fomba tsara hahafantarana ny tantara feno momba ny razambe iray na ny fiainan’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana izany. Afaka mirakitra ireo karazana fahatsiarovana rehetra ireo alibaoma—sary, tantara, tahirim-pahalalana, ary raki-peo—ary azo alahatra araka izay itiavanao azy.

Hitsin-dalana mankany amin’ireo Fahatsiarovana tianao indrindra.

Ny fanamariham-pejy dia rohy mankany amin’ireo fahatsiarovana sy alibaoma tianao haverina hojerena any aoriana. Tehirizina ao amin’ny Toeram-pampisehoana ireo Fahatsiarovana ireo fanamariham-pejy.

Miverena amin’ny fomba tsotra any amin’ireo fahatsiarovana manan-danja sy ireo alibaoma mihitsy aza izay nampidirin’olon-kafa. Fomba tsotra iray izay hahitana indray ireo sary sy tantara izay manan-danja aminao izany.

Hamorona kaonty maimaim-poana

Ataovy izay ahitana olona amin’ny alalan’ny Tenifototra Famantarana Olona

Ny hoe mametraka tenifototra famantarana dia fomba hampahafantarana ireo olona naseho ao amin’ireo fahatsiarovanao. Iray minitra monja dia hahavitana izany, saingy rehefa nasiana tenifototra famantarana izany dia ho mora kokoa ho an’ny fianakaviana ny mahita amin’izao fotoana izao sy any aoriana an’izany ao amin’ny rafi-tetiarana.

Tsindrio eo amin’ny sary iray, na soraty ao amin’ny “Iza no ao amin’ity fahatsiarovana ity” ilay anarana mba hampidirana tenifototra famantarana. Rehefa manisy tenifototra famantarana olona iray ianao dia manampy ny fahatsiarovana ao amin’ilay faritra misy ny mombamomba an’ilay olona.

Hamorona kaonty maimaim-poana