Fantaro ny tantaran’ny fianakavianao ao amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch
Afaka manampy anao ireo mpilatsaka an-tsitrapo eo an-toerana hanomboka ny firotsahanao ao amin’ny tantaram-pianakaviana.
Fantaro ny tantaran’ny fianakavianao ao amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch
Afaka manampy anao ireo mpilatsaka an-tsitrapo eo an-toerana hanomboka ny firotsahanao ao amin’ny tantaram-pianakaviana.

Maimaimpoana ny tolo-draharaha rehetra ao amin’ireo ivon-toerana. Hoankafizinao ny:
Fanampiana natao manokana ho anao
Afaka mahazo fanampiana manokana avy amin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny iray amin’ireo ivon-toerana maherin’ny 5.400 maneran-tany ireo vahiny ao amin’ny ivon-toerana.
Fahafahana mampiasa teknôlôjia
Manolotra fidirana maimaimpoana amin’ireo solosaina sy ny internet ary ny fisoratana anarana ao amin’ny tranonkalan’ny tantaram-pianakaviana ireo ivon-toerana. Miovaova araka ny toerana ny loharanom-pitaovana misy.
Fidirana amina firaketana manokana
Manana fahafahana manokana ireo mpitsidika ny ivon-toerana hahita sarina rakitra ara-tantara izay tsy hita afa-tsy ao amin’ireo ivon-toerana.
Misy amin’ny toerana rehetra

Tahaka ny ahoana ny ivon-toerana iray?
Ny ivon-toerana tsirairay dia miavaka, saingy samy manolotra toerana hianarana bebe kokoa momba ny razambenao izy rehetra. Karazana trano maro no ahitana azy ireny, toy ny fiangonana sy tranom-boky.
Ivon-toerana iray ao amin’ny trano fiangonana iray any Akrà, Ghana.
Ivon-toeran’ny FamilySearch any Kyambeke, Kenya.
Ny ivon-toerana sasany dia hita ao amin’ireo trano fiangonana, tahaka ity anankiray any Idaho, Etazonia ity.
Maro ireo ivon-toerana izay manana solosaina sy tambazotra internet, tahaka ity anankiray any Nouvelle Zélande ity.
Ohatra iray maneho ny ao anatin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch lehibe kokoa.
Afaka hanampy anao amin’ny fikarohana momba ny tetiaranao araka izay aseho eto amin’ity ivon-toerana any Filipina ity ny mpilatsaka an-tsitrapo nahazo fanofanana.