Zavatra mahafinaritra ao amin’ny tantaram-pianakaviana
Andramo ny sasany amin’ireto asa atao ireto. Tsy ela akory dia hahita zavatra momba ny tantaram-pianakaviana ianao mba hahitana fahafinaretana.
Manao ny tantaram-pianakaviana ianao fa amin’ny alalan’ny fomba vaovao iray tanteraka.
Ny mombamomba ahy rehetra
Manontany tena ve ianao hoe toy ny ahoana ny fiainana tamin’ny taona nahaterahanao? Ity asa atao ity dia hamariparitra ny toe-karena tamin’izany fotoanandro izany, sy ny momba mozika nalaza sy ny sarimihetsika nalaza ary ny fanatanjahan-tena.
Raketina ny tantarako
Ampio ireo taranaka vao misondrotra hianatra avy amin’ny zavatra niainanao. Mampiasà fomba tsotra toy ny capture sy ny fitehirizana ny raki-peo avy aminao ao anatin’ny rafi-tetiaranao na ao anatin’ny solosainanao.
Ny lovako an-tsary
Mampidira sary, ary apetaho eo amin’ny fitafy manan-tantara fanaovan’ny razambenao ny tarehinao. Ampidiro ny rafi-tetiaranao mba hananana ilay rafitra manolotra ilay akanjo izay mitovy amin’ny lovanao.
Hetsika fanao ao an-tokantrano
Ireto lisitra voarindra ireto dia misy asa atao tsotra izay azon’ny rehetra atao na misy na tsy misy solosaina. Hanampy ny olona tsirairay na ny fianakaviana izany hiaina fotoana manohina fo mahakasika ny tantaram-pianakaviana.
Asa atao hafa
Te hanandrana asa mahafinaritra iarahan’ny mpianakavy manao ve ianao? Midira amin’ny kaontinao ao amin’ny FamilySearch raha hijery ny lisitra rehetra, tafiditra ao anatin’izany ny lalao fifaninana mifono andiam-panontaniana momba ny razambe.