Ny fanohanan’ny Fiangonana
an’ny FamilySearch

Mampifandray an’ireo taranaka
Afaka hanampy antsika handresy ireo fivadibadihana eo amin’ny fiainana ireo fahatsapana fifandraisana amin’ny fianakaviana. Manohana ara-bola ny FamilySearch Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mba hanampiana ny olona hahazo hery avy amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny fianakavian’izy ireo—taloha, ankehitriny, ary amin’ny hoavy. Afaka mianatra misimisy momba ireo fampianaran’ny Fiangonana mifandray amin’ny fianakaviana ianao ao amin’nyComeUntoChrist.org.

Ny dikan’izany ho anao
Ny fampahalalana manokana sy momba ny fianakaviana izay ampidirinao ao amin’ny FamilySearch dia ampiasaina mba hanampiana anao hahita, hitahiry ary hizara ny tantaran’ny fianakavianao. Tsy amidy amin’ny orinasa hafa mihitsy izany. Ny fampahalalana momba ny fianakaviana izay mbola velona dia tazonina ho anao manokana, raha ny antsipirian’ny tetiarana momba ny razanao efa nodimandry kosa dia zaraina amin’ny mpikaroka hafa ao amin’ny Tetiarana.

Manatsara ny fiainan’ny tsirairay
Ny tantaram-pianakaviana dia mety ho loharanon’ny fitaomam-panahy, fifaliana, fanasitranana, fahazavana, fiaraha-miory, ary fiadanana. Manantena izahay fa ny olona rehetra eo amin’izao tontolo izao dia afaka hiaina ireo fahatsapana ireo ao amin’ny fiainan’izy ireo rehefa manohy na mamorona fombam-pianakaviana izay mankalaza ny razambeny.