
Atombohy amin’ny fanontaniana tsotra
Ho an’ireo mpikambana vaovao sy mpikambana niverina ho mazoto, hevero ny hanontany hoe: “Ho an’iza no tianao hanaovana batisa anao any amin’ny tempoly?”
Na koa ho an’ireo zatovo, hevero ny hanontany hoe: “Mila fanampiana ve ianao amin’ny fanaovana printy ireo karatra ho an’ny batisa any amin’ny tempoly?”
Ny Fanampiana amin’ny fanomanana anaram-pianakaviana dia hitari-dalana anao amin’ny:
Ampio ilay mpikambana hampiditra ny anaran’ireo fianakaviany efa nodimandry, toy ny raibe na renibe, na ray na reny, na vady, na mpiray tampo na zanaka.
Ampio ilay mpikambana hitady anarana izay efa vonona ho amin’ny batisa sy fandraisana ho mpikambana any amin’ny tempoly amin’ny fampiasana ny Ôrdônansy Vonona.