Manentana olona hatraiza hatraiza mba hifandray amin’ny fianakaviany—manerana ireo taranaka izahay.

Biraon’ny FamilySearch, Lehi, Utah, Etazonia
Maimaim-poana ho an’ ny rehetra
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manome maimaim-poana ny FamilySearch ho an’ny rehetra, na inona na inona fomban-drazana, kolontsaina, na fivavahana. Ireo loharanon’ny FamilySearch dia manampy olona an-tapitrisany manerana izao tontolo izao hahita ny lovany sy hifandray amin’ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviana.
Ny zavatra ataonay
Manampy olona hahita ny tantaran’ny fianakaviany izahay amin’ny alalan’ny tranonkalanay, sy ireo fitaovana ho an’ny finday, ary ny fanampiana mivantana any amin’ireo ivontoeran’ny tantaram-pianakaviana maherin’ny 5.000 eny an-toerana.

Fiaraha-miombon’antoka maneran-tany
Ny FamilySearch dia milofo amin’ny fitehirizana ireo firaketana an-tsoratra manan-danja ao amin’ny fianakaviana sy hahatonga azy ireny ho azo jerena malalaka ao amin’ny tambajotra, miankina amin’ny lalàna eo an-toerana. Maneran-tany ny asanay ary efa nahitana fiaraha-miasa tamin’ny fikambanana maherin’ny 10.000 any amin’ny firenena 100 mahery. Miezaka ny hanaraka ny lalàna eo an-toerana amin’ny fotoana rehetra ny FamilySearch.


















