Mandrafeta
hazon-tetiaram-pianakaviana
Te hahafantatra momba ny lovanao? Atombohy ny fikarohana momba ny razambenao maimaimpoana ao amin’ny hazon-tetiaram-pianakavian’ny fiarahamonina maneran-tany. Mifandraisa izao—mety efa manana antsipiriany momba ny fianakavianao izahay.

Toy ny ahoana ny fandehan’izany
Dingana 1:
Midira dia ampidiro ny zavatra efa fantatrao.
Ny mpanamboatra hazon-tetiarana mandeha ho azy dia hitarika anao. Hanomboka amin’ny fampidirana ny ray aman-dreninao sy ny raibe sy renibenao ianao. Tazonina manokana ny fampahalalana rehetra momba ny olona mbola velona fa aza manahy.
Dingana 2:
Hikaroka ireo fifandraisan’ny fianakavianao izahay.
Rehefa mampiditra fampahalalana ianao dia hanomboka hikaroka ireo olona ao amin’ny fianakavianao ao amin’ny hazon-tetiaram-pianakaviana iombonana sy ao amin’ireo firaketana ara-tantara ny rafitra, toy ny fanamarinam-piterahana sy ny fanamarinam-pahafatesana.
Dingana 3:
Jereo ny hazon-tetiaram-pianakavianao fa miha-mitombo!
Hitarika ho amin’ny fianarana misimisy kokoa momba ny fianakaviana ny hazon-tetiaram-pianakaviana iombonana rehefa ampiany sampana ao amin’ny hazonao. Hianatra bebe kokoa momba ny fianakavianao ianao ary hahatsapa fifandraisana akaiky kokoa amin’ny lasa rehefa miha-lehibe ny hazon-tetiaram-pianakavianao.
Atombohy ny Hazon-tetiaranao
Nahoana no ampiasaina ny hazon-tetiarana iombonana ao amin’ny FamilySearch?
Ampiasao ny herin’ny rohim-pirazanana avy amin’ny vahoaka maneran-tany, hahitana ny tantaran’ny fianakavianao.
Ny Hazon-tetiaram-pianakaviana An-jotra lehibe indrindra maneran-tany
Tsy manambatambatra fotsiny ihany ny tantaran’ny fianakaviany ireo izay manomboka ny Hazon-tetiaram-pianakaviana ao amin’ny FamilySearch fa tena mandray anjara amin’ny fananganana hazon-tetiaram-pianakaviana maneran-tany sy voatambatra ho an’ny zanak’olombelona mihitsy.
Zaraina ary mora hidirana
Manana mombamomba ho an’ny besinimaro iray isaky ny olona maty sy mamorona toerana tokana ho an’ny fampahalalana rehetra nozaraina ny hazon-tetiarana voazara an’ny FamilySearch fa tsy manaparitaka izany amin’ny hazo maro. Mampitombo ny fihazonana ho tsiambaratelo ihany koa izany.
Manangàna amin’ny fomba tsotra ny hazon-tetiaranao
Hiezaka hampifandray anao amin’ny fampahalalana mombana havana iray efa nodimandry izay ananany ao amin’ny banky angony ny FamilySearch, rehefa nampiditra io olona io ianao ao amin’ilay hazon-tetiarana. Afaka mameno ho azy ny fampahalalana ny FamilySearch, raha mahita fifandraisana izy, ka dia mahatsitsy fotoana betsaka ho ananao izany!
Miaraha miasa amin’ny hafa
Manome fahafahana ireo taranaka mba hizara fampahalalana izay mety tsy fantatry ny hafa sy hampiditra ireo loharano mba hanamafisana ny fampahalalana marina ny hazon-tetiaram-pianakavian’ny FamilySearch. Afaka ny ho feno sy marina kokoa noho ireo hazon-tetiarana mandeha mitokana ny vokatra azo avy amin’ny hazon-tetiarana zaraina, izay tsara ny loharano namenoana azy.
Mifandraisa amin’ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana
Ny miara-miasa ao amin’ny tetiarana maneran-tany koa dia manampy ireo taranaka hifandray amin’izy samy izy. Mety hahita havana ianao izay namangy fasana mitovy sy nametraka fanontaniana mitovy momba ny razambe mitovy, ary mety nianatra nitia azy ireo na talanjona tamin’izy ireo mihitsy aza.
Andramo izao!
Atombohy amin’izay fantatrao. Hanampy anao hameno ny banga izahay.
Inona no atao hoe hazon-tetiaram-pianakaviana?
Famaritana:
Fanehoana an-tsary momba ny fianakaviana mivelatra izay mifototra amin’ny anarana, daty sy toerana ary fifandraisana ny hazon-tetiaram-pianakaviana. Maneho hoe ahoana ny fomba ifandraisan’ny olona tsirairay amin’ireo taranaka samihafa izany.
Hamaky bebe kokoaFanontaniana apetraka matetika
Hazon-tetiaram-pianakavian’ny FamilySearch
Maimaim-poana ny fampiasana azy ary mora atomboka. Ireo zava-baovao miandry anao.
